Mamita ny iraka amin'ireo manan-karena sy fahefana
"Fa inona moa no soa ho azon ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?"- Mat. 16:26.
"Fa inona moa no soa ho azon ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?"- Mat. 16:26.
Na dia nosoratana an-taonany maro lasa aza ny Baiboly, ilay Tenin' Andriamanitra, dia fanambarana ny fahamarinan' Andriamanitra ho an'ny tontolo misy antsika izany. Ary anisan'ireo fahamarinana ambarany ny momba ny toetry ny olombelona sy ny fitovian'ny olona rehetra ankapobeny: mpanota mila famonjena- na tamin'ny taonjato fahafito tany Jodia na amin'izao taonjato faha-21 izao any Brésil.
Voafaokan'izany koa ireo mpanankarena sy ireo olona manana ny maha-izy azy. Tsy samy hafa amin'ireo mpanankarena sy nanana ny maha-izy azy tamin'ny andron'ny Baiboly ireo mpanankarena sy manana ny maha- izy azy amin'ny taonjato môderina, indrindra amin'ny fikatsahany fatratra ny harena sy ny laza ary ny hery, izay matetika ataony amin'ny alalan'ny fampahoriana ny marefo (na tsy izany mandrakariva aza). Mahaliana an' Andriamanitra anefa ny famonjena ireo mpanankarena sy manana ny maha-izy azy, tahaka ny faniriany hamonjy ireo malemy sy mahantra ihany koa. Manome ohatra mahaliana momba ireo manana ny maha-izy azy na mpanankarena (na izy roa mitambatra) tamin'ny andron'ny Baiboly ny Soratra Masina, ary koa manome ohatra ny amin'ny fomba nampiasan'Andriamanitra azy ireo ho tonga fitahiana ho an'ny firenen-drehetra: Abrahama, Isaka, Jöba, Sölömôna, ary Josefa, raha tsy hitanisa afa-tsy ohatra vitsivitsy isika.
Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ny asa nataon'Andriamanitra teo amin'ireo mpanankarena sy ireo manana ny maha-izy azy. Andeha hiaraka aminay hijery ireo fomba nanatraran'Andriamanitra ny sasany tamin'ireo olona ireo sy ny fomba iantsoany sy anomanany ireo Advantista mitandrina ny andro fahafito mba ho vavolombelona eo amin'ireo mpanankarena sy ireo manana ny maha-izy azy amin'izao andro izao koa.
Amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika dia mino ny antsoina hoe "fanavotana tsy voafetra" isika. Midika izany fa tsy tahaka ireo Kristianina: sasany isika, inoantsika mantsy fa ho an'ny taranak'olombelona rehetra no nahafatesan'i Kristy fa tsy ho ana vondron'olona izay efa notendren' Andriamanitra mialoha ho voavonjy. Satria Andriamanitra "tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina"- 1 Tim. 2:4, dia nanolotra ny Tenany i Jesosy ho sorona noho ny "fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa." 1 Jao. 2:2. Izany no nahatonga ny olona rehetra ho voafidy "tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao" - Efes. 1:4, na dia tsy ny rehetra aza no mifidy Azy ho setrin'izany. Izany koa no ahitantsika ireo tantara ao amin'ny Baiboly mikasika ireo olona samihafa izay nobaboina ho an Andriamanitra.
Vakio ny Dan. 4. Inona no nitranga tamin'ny mpanjaka teto, ary inona no ambaran'izany amintsika momba ny famonjena ho tonga amin'ilay anankiray amin'ireo lehilahy manana ny maha-izy azy indrindra teto amin'izao tontolo izao?
Ohatra iray manaitra ao amin'ny Baiboly mikasika ny fomba nanatraran'Andriamanitra ireo tsy mpino ny tantaran'i Nebôkadnezara mpanjaka. Nahatra taminy tahaka izay natao tamin'ireo mpanjaka Isiraelita sasany ny fitsaran' Andriamanitra (jereo, ohatra, ny 2 Tant. 32:25, 26; 1 Mpanj. 14:21-31; 1 Sam. 28). Ny fitantaran'ny Baiboly ny momba an'i Nebokadnezara, izay nody saina sy niaiky ny maha-Mpamorona an' Andriamanitra, dia maneho fa mihevitra ny amin'ireo mpanankarena sy manana ny maha-izy azy Andriamanitra, tahaka ny iheverany ireo malemy sy mahantra. Ao amin'ny and. 34, dia izao no nambaran'ilay lehilahy nanana ny maha- izy azy indrindra teto an-tany: "Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny flavonavonana dia hainy aetry." - Dan. 4:34. Raha mba mahatakatra izany fahamarinana izany mantsy ireo mpanankarena sy ireo manana ny maha-izy azy ary ny mpiavonavona eo amin'ny olombelona mety maty!
Inona no avy azontsika sintonina amin'io tantara io? Voalobany, ampiasain' Andriamanitra ny mpino manolo- tena, tahaka an'i Daniela, mba ho fitaovana hanatrarana ireo tsy mpino manana ny maha-izy azy. Faharoa, afaka miditra an- tsehatra mivantana amin'ny fijoroana ho vavolombelona Andriamanitra mba hanatrarana ireo tsy mpino manana ny maha-izy azy. Naetrin'Andriamanitra i Nebokadnezara noho ny avonanovany sy ny fireharehany. Ary na dia tantara manaitra tokoa aza izany, dia maro tokoa ireo fomba azon' Andriamanitra hampietrena ireo mpanankarena sy manana fahefana ary mpiavonavona.
Na dia tsy mpanankarena sy manana ny maha-izy azy araka ny fenitr'izao tontolo izao aza isika, nahoana no tokony hitandrina mba tsy hananantsika ny avonavona toy izay nananan'ity mpanjaka ity? Nahoana no mora kokoa noho izay mety eritreretintsika ny hananana Izany toetra izany?
Maty ho an'ny rehetra i Kristy, na inona na inona lasan'izy ireo, na harenany, na flaviany na koa toerana misy azy. Manatratra ireo tsy Kristianina manana ny maha-izy azy eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra ary manantena ny hiainan'izy ireo araka ny fahazavana izay ananany (jereo ny VM, t. 361).
Vakio ny 2 Mpanj. 5:1-19. Inona no azontsika sintonina avy amin'io tantara io mikasika ny fomba fanatrarana olona ho an'Andriamanitra?
Fangatahana roa tsy mahazatra no nataon'i Namana, ao amin'ny 2 Mpanj. 5:17-19, taorian'ny nanasitranan' Andriamanitra azy tamin'ny habokana. Voalohany, nangataka tany zakan'ny ampondra roa avy tany Isiraely hoentiny ho any Syria izy mba hiankohofany amin'ilay Andriamanitra velona. Hoy izy: "nympanomponao tsy mba hanatitra fanatitra odorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah"- 2 Mpanj. 5:17. Faharoa, dia nangatahin'i Namana ny hahafahany miankohoka miaraka amin'ny mpanjakany, kanefa tsy hivavaka amin'ireo andriamanitry ny mpanjakany intsony izy.
Tonga mpino ilay hany Andriamanitra marina izao i Namana, saingy mbola notanany ihany ireo finoan'ny Jentilisa. Ny nitondrany tany avy any Isiraely dia naneho fa tsy takany tamin'ny fahafenoany ny momba ilay Andriamanitra Mpamorona. Nihevitra angamba izy fa nilainy ny nitondra izany satria araka ny fomba fijeriny dia voafaritry ny velaran-tany tahaka ireo andriamaniny teo aloha i Jehovah. Na koa naniry ny hanorina alitara avy tamin'ny tany avy any Isiraely angamba izy? Na noho ilay antony voalohany na ilay faharoa dia nifangaro tamin'ny finoany teo aloha ny finoany an' Andriamanitra. Maneho ny tontolon-kevitra misy ireo tsy Kristianina izay manatona an'i Kristy amin'izao fotoana izao ny tantaran'i Namána. Izao ny lesona iray tsoahina avy amin'ny tantaran'i Namana: mila fotoana ny flovan'ny fomba fijery.
Vao mainka mahagaga kokoa ny fangatahana faharoa nataon'i Namana. Nahoana moa izy no nangataka mba hiankohoka miaraka amin'ny mpanjakany ary nangataka famelan-keloka tamin'Andriamanitra avy eo? Ny valintenin'ilay mpaminany no nahafantarany fa namela azy tokoa Andriamanitra: Mandehana soa aman-tsara"- 2 Mpanj. 5:19. Amin'ny maha-olona nanana ny maha-izy azy an'i Namana tany Syria, dia nanana adidy izay nametraka fihaikana ho an'ny finoany vaovao izy. Zava-dehibe ho an'ireo mpino vaovao, indrindra ireo avy amin'ny finoana hafa, ny mahazo fanohanana sy tari-dalana raha toa izy eo am-piatrehana ireo fitakian'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina nisy azy tany amin'ny flainany lasa mialoha ny hahatongavany ao amin'ny finoana.
Tsarovy fa boka i Namana raha nandao ny firenena jentilisa nisy azy; lehilahy sitrana sy mpanara-dia Ilay Andriamanitra Mpamorona kosa izy nony niverina tany. Vao nanomboka ny diany izy, ary nila fotoana nitomboana.
Inona ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io tantara io momba ny tsy tokony hanerena loatra ny olona, indrindra ireo avy amin'ny kolontsaina na sehatra tsy Kristianina?
Lehilahy nanam-pahaizana i Nikodemosy. Ambaran'ny Baiboly fa mpanapaka tamin'ny Jiosy izy (Jao. 3:1). Nantsoin'i Jesosy hoe mpampianatra ny Isiraely izy (Jao. 3:10). Nahatakatra tsara ny Baiboly izy, ary nanana hetaheta ara-panahy lalina an'Andriamanitra. Raha araka ny fijerin'olombelona dia toy ny mpanara-dia an' Andriamanitra no fijery azy. Nitandrina ireo didy rehetra izy, ary mpitarika nohajaina fatratra teo amin'ny Jiosy. Nanam-pahefana sy nanan-karena izy. Maro no nihevitra ireo ho famantarana fa notahin' Andriamanitra io lehilahy io. Na izany aza dia hita fa fisehoana ivelany ihany ireo.
Vakio ny Jao. 3:1-12. Inona no ambaran'io tantara io momba ny zavatra ara-panahy nilain'i Nikodemosy sy ny namalin'i Jesôsy izany avy hatrany?
Rehefa nanatona an'i Jesôsy i Nikodemosy dia niezaka nihazona ny fisehoana ivelany izy, ny toerana nisy azy. Fantatr' Andriamanitra anefa ny fony. Tahaka izany koa, fantatr' Andriamanitra ny fo sy ny zavatra ilain'ireo mpanankarena sy manana ny maha-izy azy, na inona na inona toe-javatra misy azy ireo. Nanatona an'i Jesosy i Nikodemôsy satria nandresy lahatra azy ny fampianarany. Noho ny avonavony anefa dia tsy niaiky tanteraka ny maha- Tompo an'i Jesôsy Kristy izy; nitondra fiovana mandrakizay ho azy anefa io alina io. Na dia taorian'ny fahareseny lahatra ny maha-irak Andriamanitra an'i Jesosy aza, dia tsy mbola niaiky mivantana izy fa mpanara-dia an'i Jesôsy Kristy.
Vakio ny Jao. 7:43-52 sy ny Jao. 19:39. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo mikasika an'l Nikodemosy sy i Jesôsy?
Hitantsika ao amin'ireo andalan-teny ireo fa nitondra fiovana lehibe sy niharihary teo amin'i Nikodemosy i Jesôsy. Nitady ny fomba hiarovana an'i Jesosy izy raha velona i Jesôsy, ary nitady ny fomba hanomezam- boninahitra Azy taorian'ny nahafatesany. Tsy isalasalana fa nahakasika ny fon'i Nikodemosy i Jesosy; i Nikodemosy izay nila ny Mpamonjy ihany koa, tahaka antsika, na dia nanana fahalalana sy fahendrena noderaina fatratra aza.
Nahoana isika no tokony hitandrina momba ny fandrika ny amin'ny fieritreretana fa "manana ny fahamarinana" isika (ary Izany tokoa no izy) ka ampy hamonjena antsika ny fahalalana izany fahamarinana izany? Fanahy firifiry no ho very kanefa nanana fahalalana mihoatra noho ny ampy, eny na izay mahakasika ny hafatry ny anjely telo aza, dia izay tokony hahavonjy azy?
Vakio ny Mat. 19:16-22. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara io, izay ahitana olona iray tsy nandray an'i Jesôsy, tsy tahaka an'i Nikôdemôsy?
Ny resaka nifanaovan'i Jesosy tamin'ilay tovolahy mpanankarena no maneho ny maha-fandrika mampidi-doza ny harena. Jereo ireto teny ireto: "Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran 'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan Andriamanitra."- Mat. 19:24. Mazava loatra fa tsy midika izany fa tsy ho voavonjy ny mpanankarena; tsy izany, fa raha toa tsy mitandrina ireny olona ireny dia ho sakana ho an'ny famonjena azy ny harenany.
Iray ihany no hiafaran'ny mahantra sy ny mpanankarena: ny fahafatesana. Midika izany fa ny mpanankarena dia mila fatratra ny famonjena tahaka ny olona rehetra. Na inona na inona azon'ny vola vidina, dia tsy mahavidy ny fanafahana antsika amin'ny fahafatesana izany. Fanomezana ihany no ahazoantsika izany fanafahana amin'ny fahafatesana izany, izay atolotr'i Jesosy maimaimpoana ho an'ireo mitaky azy amin'ny finoana. "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray."- Jao. 11:25.
Vakio ny Lio. 19:1-10. Inona no maha-samy hafa lo tantara io amin'ny tantaran'ilay tovolahy mpanankarena?
Namaly an'i Jesôsy tamin'ny fomba tsy nataon'ilay tovolahy mpanankarena i Zakaiosy. Mariho fa tsy nilaza tamin'i Zakaiosy i Jesosy mba hivarotra ny fananany ka hanome ho an'ny mahantra, tahaka izay nataony tamin'ilay tovolahy mpanankarena. Azo antoka fa fantatr'i Jesosy fa niraiki-po tamin'ny volany ilay mpanapaka nanan- karena, izany no antony nilazany izay teny nataony taminy. Etsy andanin'izany, na dia tsy fantatsika aza ny zavatra rehetra noresahina raha tao an-tranon'i Zakaiosy i Jesôsy, dia hita miharihary fa resy lahatr'i Jesôsy izy ary fantany fa nilainy ny hanova zavatra maromaro teo amin'ny fiainany, indrindra izay nahakasika ny harenany.
"Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?"- Mat. 16:26. Inona no tian'ireo teny Ireo hambara amintsika rehetra?
Hain'i Jesôsy ny nanorina fisakaizana tamin'ireo nanana ny maha-izy azy. Tia sy nanaja Azy ny maro tamin'ireny olona ireny, kanefa maro ihany koa tamin'izy ireo no nanao tsinontsinona Azy. Ireo olona nanana ny maha-izy azy tao amin'ny Baiboly izay nanatona mba hitady fanampiana tamin'i Jesosy dia azo antoka fa nahatsapa fa nihevitra azy ireo Izy. Marobe ihany koa anefa ireo mpanankarena sy nanana ny maha-izy azy no tsy sahy nanatona an'i Jesôsy avy hatrany; niandry izy ireo mandra- pahazoany antoka fa Zanak' Andriamanitra tokoa i Jesôsy. Tahaka izany i Nikodemosy sy i Josefa avy any Arimatia.
Vakio ny Mat. 27:57-60 (Jereo ihany koa ny Mar. 15:43-47; Lio. 23:50-53; ary ny Jao. 19:38-42). Inona no ambaran'io tantara io momba ny fomba nampiasan' Andriamanitra ny lehilahy mpanankarena iray izay hita niharihary fa voaovani Jesosy?
Tsy mba nandre izay momba an'i Josefa avy any Arimatia isika hatrizay. Tampoka teo dia nipoitra ity lehilahy mpanankarena ity, zara raha fantatra izay flaviany, ary nampiasaina mba hahatanteraka ny faminaniana. Nampiasa ny mpanankarena ho amin'ny fikasany Andriamanitra, ary mbola hanohy hampiasa azy ireo. Noho izany, dia manana iraka tokony hotontosaina amin'izy ireny isika.
Ny fanombohana ny fisakaizana no dingana sarotra indrindra eo amin'ny fanaovana namana ny olona manana ny maha-izy azy. Tsara kokoa, ankapobeny, raha tsy misisika hanakaiky azy isika, fa aoka izy ireo no hanatona antsika. Izany no nataon'i Jesosy; tonga vavolombelon'ny hafatra nentiny sy ny fanasitranana ary ny hery avy amin' Andriamanitra izy ireo. Resy lahatra izy ireo na tsy niharihary aza fa Izy tokoa no llay Zanak' Andriamanitra.
Haniry ny hiara-miasa amin'ny asa fanompoana marina noho ny antony maro ny olona manana ny maha-izy azy. Maniry ny handray anjara amin'ny zavatra tsara izay hanova ny flainan'ny olona izy ireo. Fomba iray fantatr'izy ireo fa hanova ny fiainany koa mantsy izany. Fomba ankolaka hahazoan'ny mpanankarena sy ny olona manana ny maha-izy azy ny fanampiana ilainy izany ka tsy ilainy ny haneho ampahibemaso ny zavatra ilainy.
Ny tapany faharoa dia ny fanombohana fanompoana izay hahafahan'ny asa mpanankarena sy ny olona manana ny maha-izy azy mandray anjara amin'ny asan'Andriamanitra. Manokana fotoana kely handinihana akaiky ny fiainan'ireo mpanankarena sy ireo manana ny maha-izy azy eo amin'ny fiarahamonina misy anao.
Fanamby: Ampidiro ao amin'ny lisitry ny olona entinao am-bavaka ny olona iray manana toerana ambony, izay tsy mpino, ary koa olona izay azonao ifandraisana tsindraindray.
Manaova fihaikana: Mandefasa taratasy na mailaka amin'ny olona iray manana toerana ambony, eny fa na dia olona tsy mbola hitanao mivantana aza izy, ary ambarao aminy fa mivavaka ho azy ianao.
Vakio ny "Asa fanompoana ho an'ny manan-karena" ao amin'ny TMF, toko 14; "Captive Maid Shows Concern for Naaman" ao amin'ny Reflecting Christ, t. 337.
Tahaka ny itiavan'i Jesôsy ny mahantra. no itiavany koa ny mpanankarena sy ny olona manana ny maha-izy azy eto amin'izao tontolo izao. Maty ho an'ny andriana sy ireo fadiranovana izy. Fantany ny fomba mahomby indrindra hanatrarana ny fon'ireo. Nampitandrina antsika anefa Izy fa "moramora kokoa ny hidiran'ny rameva ny amin'ny vodi-fanjaitra noho hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan 'Andriamanitra."- Mar. 10:25. Fanamby apetraka amintsika amin'ity herinandro ity ny hanatratra olona manana ny maha-izy azy sy manan-karena amin'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy. Tena mila famonjena tahaka ny olon-drehetra izy ireny, na dia mety tsy ho tsapany aza izany (izay mampalahelo tokoa) noho ny "antoka" izay inoany fa omen'ny harenany azy.
"Betsaka no voalaza momba ny adidintsika amin'ny mahantra natao an- tsirambina; moa ve tsy misy fiheverana tokony hatao amin'ny mpanan-karena natao an-tsirambina? Betsaka no mihevitra io sokajin 'io olona io ho tsy misy antenaina (...) An'arivony ny olona manan-karena no lasa any am-pasana tsy nahazo fanairana. Nefa na toa tsy rototra aza izy ireny, dia betsaka amin'ny manan-karena no mitondra enta-mavesatra eo amin'ny fanahiny!"- TMF, t. 136.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: