Mamita iraka amin'ireo mila fanampiana
"Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko."- Mat. 25:40
"Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko."- Mat. 25:40
Ahitana ohatra marobe momba ny fanampian' Andriamanitra ireo sahirana ao amin'ny Lio. 5:17-26. Misy fotoana ampiasan' Andriamanitra ny hafa mba hanampiana antsika, na koa ampiasany antsika mba hanampiana ny hafa. Mety ho sarotra izany asa izany kanefa valisoa lehibe no azo avy aminy. Maneho ny ohatry ny asa fanompoan'i Jesosy Kristy isika rehefa manampy ireo sahirana. Mora indraindray ny milaza hoe iza no mila fanampiana; amin'ny fotoana hafa anefa dia sarotra ny hahalalana izany. Ao anatin'ny toe-javatra rehetra, dia antsoina isika mba ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra ka hanampy ireo sahirana na inona na inona toerana misy azy ireo.
Mampirisika antsika ny Baiboly mba hanakaiky ireo vahiny, ary rehefa azontsika ny fitokian'izy ireo dia ho haintsika ny fomba tsara kokoa hanampiana azy hahalala an'i Jesosy.
Ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity, ny lohahevitsika, "Mamita ny iraka amin'ireo mila fanampiana", dia maneho fa manana drafitra marobe Andriamanitra mba hanatrarana ireo olona mety mila fanampiana, Mety ho ara-batana, ara-pihetsehampo, ara- bola na koa ara-piarahamonina ny fanampiana ilain'izy ireo: mety voailikilika tsy ho isan'ny fiaraha-monina na ny fianakaviana ny sasany amin'izy ireo. Na inona na inona ilain' ireny olona ireny dia tokony ho vonona hanao To izay azontsika atao mba hanampiana azy isika. Izany no nampahany lehibe indrindra amin'ny maha-Kristianina ary koa ivon'ny iraka ampanaovina antsika.
Tantara manan-danja iray ao amin'ny Filazantsara no mitantara ny nataon'ireo lehilahy vitsivitsy mba hitondrana olona iray mila fanampiana (izay azo antoka fa naman'izy ireo) ho eo amin'i Jesôsy. Hitantsika amin'izay nitranga teto ny mety ho asa mafy tsy maintsy tanterahina mba hahafahana miasa amin'ireo mila fanampiana.
Vakio ny Lio. 5:17-26 (jereo ihany koa ny Mat. 9:1-8; Mar. 2:3-12). Inona avy ireo lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara mikasika ny iraka sy ny asa fanompoana io?
Nandray ny andraikiny amin'ny fiahiana ilay namany ireo lehilahy ireo raha nitondra azy hankeo amin'i Jesôsy. Miantso antsika Andriamanitra mba hanao. tahaka ireo naman'ity lehilahy ity: hitarika ireo mila fanampiana ho eo amin'i Jesosy Kristy. Mitaky finoana sy asa, faharetana ary fahavononana izany asa izany, ary raha ilaina aza dia takiny koa ny fanaovana zavatra tsy mahazatra. Nanatona an'i Jesosy ireo lehilahy ireo kanefa sendra sakana. Tsy afaka nitondra ilay sakaizany malemy nankeo amin'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny fitaovana mahazatra izy ireo. Tsy nilavo lefona izy fa nitady fomba iray hafa mba hitondrana azy hankeo amin'i Jesosy Kristy. Tamin'ny fandatsahana ilay sakaizany teo amin'ny tafon-trano! Ambaran'i Lioka anefa fa nankasitrahan'i Jesôsy ny zavatra nataon'izy ireo (jereo ny Lio. 5:20).
Fanirian'i Jesosy ny hitondrantsika ireo namantsika tsy manan-kery ho eo Aminy. Ny Baiboly dia maneho an'i Jesosy ho llay Mpitsabo lehibe izay maniry fatratra ny hamela heloka sy hanasitrana ireo mijaly, na iza izy ireo na iza.
Mandrisika antsika mba hanampy ireo olona tsy manan-kery i Ellen G. White: "Aza miandry ny hilazana aminao ny adidinao. Sokafy ny masonao ka jereo ireo manodidina anao; aoka ianao hifandray amin'ireo tsy manan-kery, ireo ory sy mahantra. Aza mihirim-belona amin'izy ireo, ary aza odian-tsy hita izay ilainy. Iza no haneho ireo toetra voasoratra ao amin'ny bokin'i Jakoba, amin'ny fananana ny fivavahana tena izy, dia izay tsy voapentin'ny fitiavan- tena na ny fahalovana? Iza no maniry fatratra ny hanao izay azony atao rehetra mba handraisana anjara amin'ilay drafi- panavotana lehibe?" - TFC, b. 2, t. 29.
I Jesosy mihitsy no naneho ny ohatry ny fomba hanampiana ireo tsy manan-kery, ary miantso antsika Izy mba hanao toy izany koa. Voalohany, aoka isika ho naman'izy ireny; rehefa izay dia fantarintsika ny ilainy; ary farany, dia tarihintsika izy ireo ho eo amin'i Jesosy llay tokana afaka hanampy azy. Tahaka izany no nataon'ireo lehilahy ao amin'ity tantara ity, tokony hanao toy izany koa isika amin'ny toe-javatra rehetra atrehintsika. Ny fanampiana dia mitarika ny hafa ho eo amin'llay hany afaka mamonjy azy, dia i Jesosy.
Iza amin'ireo manodidina anao no mila fanampiana amin'izao fotoana izao? Inona no hataonao ho azy ireo?
Inona no ampianarin'ireto tantara ireto antsika mikasika ny asa fanompoana atao amin'ireo mila fanampiana?
Jao. 5:1-9
Mar. 1:23-28
Omen'i Ellen G. White ireo dingana dimy tamin'ny fomba fiasan'i Jesôsy mahakasika ny fiasana manokana amin'ireo mila fanampiana: "Ny fomba fiasan'i Kristy ihany no hanome fahombiazana marina hahatrarana ny vahoaka. Nifangaro tamin'ny olona ny Mpamonjy toy ny anankiray izay nitady ny hahasoa azy ireo. Nasehony azy ny fangoraham-po, nanompo teo amin'izay nilain 'ireo Izy, ka nahazo ny fitokisany. Rehefa izany dia nibaiko azy Izy hoe: 'Manaraha Ahy."- TMF, t. 87.
Voalohany, ilaintsika ny mifangaro amin'ireo mila fanampiana, manokana fotoana hifankazarana aminy ary mamantatra ny zavatra ilainy miaraka amin'ny fikasana ny hanao soa azy. Jereo izay nataon'i Jesosy tamin'ilay mararin'ny paralysisa teo amin'ny farihy. Teo anivon'ireo "marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila" i Jesosy (Jao. 5:3).
Faharoa, aoka isika haneho firaisam-po. Mety ho sarotra izany amin'ny toe-javatra sasany noho ny tsy fisian'ny fitokiana, ary koa satria misy ny olona mampiasa halemem-panahy mba hahazoany ny fitokian'ny hafa izay horatrainy aty aoriana. Na izany aza dia miantso antsika Andriamanitra mba haneho firaisam-po ka tsy hiandry na inona na inona ho takalon'izany.
Ny dingana fahatelo dia ny fanompoana eo amin'izay ilain'izy ireo. Mahakasika zavatra mihoatra noho ny teny izany. Mitaky asa ny fanompoana eo amin'izay ilain'ny namana na ny vahiny iray. Niresaka tamin'ilay mararin'ny paralysisa i Jesosy, nanontaniany azy izay niriny, ary nanao. fahagagana ho azy Izy. Nifehy tanteraka ny toe-javatra kosa Izy ao amin'ny tantaran'ilay lehilahy azon'ny "fanahy maloto" ka nanao izay tsy azon'ity lehilahy tsy nanan-kery ity natao ho an'ny tenany.
Ny dingana fahefatra dia ny fahazoana ny fitokian'izy ireo. Rehefa miasa eo amin'ny olona isika, rehefa manampy azy, dia hianatra ny hitoky amintsika sy amin'izay ambarantsika izy ireo. Koa rehefa hiresaka aminy mikasika an'i Jesosy isika, dia hisokatra kokoa izy ka hihaino antsika. Tsy ny hanasitrana azy ara-batana ihany no tian'i Jesôsy hatao; fa tiany hanana flainana mandrakizay ao Aminy izy ireo (jereo ny Jao. 10:10).
Ny dingana farany dia ny fitarihana azy ireo ho eo amin'i Jesosy, fihetsika mitaky finoana avy aminao sy ilay olona ampianao izany.
Tsy afaka manao Ireo karazana fahagagana izay nataon'i Jesôsy isika, inona avy anefa ireo fomba ahafahantsika miasa eo amin'ireo izay mila fanampiana?
Lohahevitra nanjary niteraka adihevitra mafana ny mahakasika ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana, indrindra fa marobe tokoa izy ireo amin'izao fotoana izao. Na vokatry ny ady, na ny loza voajanahary, na koa ny fanantenana hoavy ara-toekarena tsara kokoa no anton'ny fifindrana monina, dia an-tapitrisa maro manerana izao tontolo izao no niala tany amin'ny trano fonenany ary miraviravy tanana ka mila fanampiana.
Mpitsoa-ponenana i Jesôsy ao amin'ny Mat. 2:13, 14. Voatery nandao an'i Betlehema tamin'ny andro alina i Josefa sy Maria, ray aman-dreniny teto an-tany, ary nitady fialofana tany Egipta mba handosirany ny tanana mpandatsa-dran'i Heróda. Tsy milaza na inona na inona momba ny fanandraman'izy ireo tany Egipta ny Baiboly, kanefa tsy sarotra ny maka sary an- tsaina ny fihaikana natrehina tamin'izany, ary angamba sahala amin'ireo fihaikana atrehin'ny mpitsoa-ponenana amin'izao andro izao koa aza ny sasany amin'izany. Tahaka ny nitadiavan'ny ankohonan'i Jesosy fialofana tany amin'ny tany hafa no itadiavan'ny Silamo, ny Bouddhiste, ny Hindou, ny Kristianina ary ireo olona marobe tsy manana firehana ara- pivavahana fialofana any amin'ny tany vaovao amin'izao andro izao.
Raha jerena ankapobeny dia mora kokoa ny manorina fisakaizana amin'ny olona mitovy kolontsaina sy fiteny amintsika satria manan-javatra maro iombonana aminy isika. Sarotra kosa ny mahita marimaritra iraisana amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny mpifindra monina izay tsy mitovy amintsika ary tsy miteny ny tenintsika, tsy mitana ireo soatoavina ara-pivavahana ananantsika ary tsy mihinana ny sakafo fihinantsika. Miantso antsika ny Filazantsara mba hivoaka amin'ny faritra mampahazo aina antsika amin'ny lafiny flaviana sy ny kolontsaina ka hanatratra ireo mila fanampiana, na dia tsy mitovy amintsika aza izy ireny.
Vakio ny Deo. 10:19; Sal. 146:9; Rom. 12:13 ary ny Lev. 23:22. Inona ny lohahevitra manan-danja resahina eto izay tokony hotadidintsika?
Ahoana ny fomba hiasantsika amin'ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina? Sarotra izany satria any amin'ny firenena sasany dia tsy eken'ny lalana ny hifaneraserana akaiky amin'ireny olona ireny na koa ny manampy azy ireo. Tsy maintsy manao izay azontsika atao anefa isika, amin'ny fotoana ahafahantsika manao izany, mba hanaovana asa fanompoana co amin'ireo olona ireo, izay azo antoka fa nandalo fotoan-tsarotra tokoa ary mila ny fanampiantsika. Tsy maintsy manampy araka izay tratrantsika isika.
Atombohy amin'ny vavaka izany, ary tadiavo ny mombamomba ny mpitsoa- ponenana na ny mpifindra monina. Toerana maro no manana fikambanana miahy azy ireny. Azonao atao ny manomboka fiaraha- miasa amin'ireo fikambanana ireo, na koa azon'ny Sekoly Sabata ao amin'ny fiangonana misy anareo atao ny manomboka asa fanompoana eo amin'ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana.
Inona no azonao atao, na dia kely monja aza, ho fanampiana ireo mpitsoa-ponenana na mpifindra monina fantatrao?
Iza amintsika no tsy mbola niaina fanandramana izay nahatsapana fa mampahory tokoa ity tontolo misy antsika ity? Mitombina izany na monina eo amin'ny tontolo feno harena sy zavatra ara-materialy ianao, na eo amin'ny tontolo feno fahantrana sy filana ara-materialy. Marobe ny olona mijaly sy ory ary anaty tolona mafy. Rehefa jerena ny habetsaky ny vola lany amin'ny fanafody miady amin'ny fahaketrahana isan- taona any amin'ny tontolo tandrefana dia ho takatra fa tsy manome antoka ny amin'ny fananana fahasambarana na fiadanana akory ny harena ara-materialy fotsiny.
"Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasanaamin'ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina." - Lio. 4:18. Inona no ampianarin'izany antsika momba izay nataon'i Jesosy sy izay tokony hataontsika, eo amin'ny sehatra misy antsika, ho an'ireo mila fanampiana manodidina antsika?
Miantso antsika mba hamaly ny zavatra ilain'ny olona rehetra Andriamanitra, eny fa na dia tsy fantatsika aza ny fotoana handraisan'izy ireo an'i Jesosy, ary tsy fantatsika koa aza raha toa handray Azy izy ireo. Na dia ny hanatratra ny mahantra ho an'i Jesosy aza no tanjona fototry ny asa fanompoantsika, dia tokony hanampy azy ireo isika satria ilainy izany fanampiana izany. Manampy azy isika satria efa nandray fa an'i Jesosy ho Tompontsika, ary izany no asainy ataontsika.
Fitsipika ara-Baiboly tokony harahina ny ohatra nasehon'i Jesosy tamin'ny fanomezana ny zavatra nilain'ny olona rehetra. Tsy fantatsika raha handray Azy na tsia ny olona rehetra izay amplantsika.
Mba hahafahantsika manampy marina ny hafa dia tokony ho fantatsika ny zavatra ilainy. Samy manana ny fanehoana ny fomba itondrana ny namana ny kolontsaina tsirairay. Any Inde, dia fomba fanao mahazatra ny mandroso hanina na zava- pisotro rehefa mandray vahiny. Mora kokoa ny manolotra taratasim-bola ho an'olon-tsy fantatra iray noho ny mampahery namana vao namoy havan-tiana. Mety mihoatra noho ny vola na ny zavatra azo tsapain- tanana no ilain'ny namanao. Mazána, ny fanohananao feno firaisam-po ao anatin'ny fotoana amoizana olona na zavatra manan- danja no mitondra fanampiana lehibe kokoa.
Mpiara-miasa amin'i Jesosy eo amin'ireo namantsika isika, ny fitsipika manan-danja amin'izany dia manomboka amin'ny fananana tanjona haneho fitiavana tsy mihevitra ny tena amin'izy ireo, ary koa amin'ny fahatakarana ny zavatra ilainy mialoha ny hiezahana hitondra fanampiana ho azy. Omeo azy ny fanampiana ilainy na dia mety tsy fantatrao aza raha toa izy vonona ny hanara-dia an'i Jesosy.
Vakio ny Mat. 25:34-40. Inona ny hafatra ho antsika eto?
Fantatsika rehetra ary diso fantatsika fa misy mandrakariva ny zavatra ilaina co amin'ny flainana. Raha vonona ny hanampy ny hafa ianao dia hahita hirika marobe hahafahana manao izany. Na ny namana akaiky izany na ny mpitsoa-ponenana mifanalavitra amintsika, dia mila fanampiana ny olona, ary tokony hanao izay azo atao isika amin'ny fotoana ahafahantsika manampy azy ireo. Nandritra ny asa fanompoan'i Jesosy teto an-tany dia nanampy ireo sahirana Izy. Tamin'ny toe-javatra sasany dia Izy no nanao dingana nanatona ireo nila fanampiana; tamin'ny fotoana hafa kosa, tahaka ny tamin'ireo lehilahy izay nampidina ilay mararin'ny paralysissa teo amin'ny tafon-trano mbe hitondrana azy hankeo amin'i Jesosy, dia ireo namana no nanao ny dingana.
"Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany." -Jao. 15:13. Ahoana no hampiharantsika izany fitsipika izany eo amin'ny asa fanompoantsika ny hafa?
Nanompo nandritra ny enin-taona tany Trinité-et-Tobago ny flanakaviana misionera anankiray. Nonina teo anivon'ny fiaraha-monina nahitana Hindou marobe sy Silamo izy ireo nandritra ny telo taona voalohany. Hindou maro no naneho tsy fahafaliana ka nilaza fa nolavin'ireo Kristianina ny fanasany azy ireo hanatrika ny fotoam- pivavahan'ny "Thanksgiving" (fotoana manokana anaovana fisaorana an' Andriamanitra noho ny taona sy ny vokatra azo). Indray andro dia nanatrika ny fanompoam-pivavahana "Thanksgiving" nataon'ny namana vaovao Hindou iray ireto Kristianina ireto. Nanao izany izy ireo ho fanarahana ny ohatra nasehon'i Jesosy: namangy ireo namany Izy rehefa nanasa Azy hanatrika ny lanonana manokana nataony izy ireo. Ny fivavahana "Hindouisme" dia mampianatra fa ny mpamangy na ny namana miantrano dia mitondra fitahiana ho an'ny tokantrano mampandroso azy.
Andeha isika amin'ity herinandro ity hanao ezaka haka namana ary ho tonga fitahiana ho an'ny olona iray. Voalohany, manaova fanadihadiana mikasikany manodidina anao, ny fiaraha- monina, ny tanána na ny tanán-dehibe misy anao, Mahafantatra mpitsoa-ponenana na mpifindra monina mipetraka eo ve ianao? Ahoana ny amin'ireo olona mifanila trano aminao? Fantatrao avokoa ve izy ireo? Na inona na inona toe-javatra misy anao dia tsy mora ny misakaiza amin'ny vahiny. Andeha isika hivavaka sy hangataka fanampiana amin' Andriamanitra. Fantany ny olona rehetra ary fantany ny vahiny izay mety ho tonga namanao. Tadidio fa ny tanjona dia ny ho naman'izy ireo mba hahafahanao mitarika azy ho eo amin' Andriamanitra ka hangatahany fanampiana Aminy.
Fanamby: Fantaro ny vahiny na ny olona tsy Kristianina monina ao amin'ny firenenao. Ny joshuaprojects.org no tranonkala tsidihina mba hanadihadiana mikasika ireo vondron'olona tsy mbola ao anatin'ny fivavahana kristianina ao amin'ny kolontsaina misy anao.
Manaova fihaikana: Aoka ianao hifidy olona iray manodidina anao. Manomboha mivavaka tsy tapaka ho an'izany olona izany rehefa avy mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:
Moa ve io olona io namako, araka ny ohatry ny fisakaizan'i Jesosy?
Moa ve fantatro izay ilainy eo amin'ny fiainany?
Ahoana no hitarihako azy hitady fanasitranana eo amin'i Jesosy?
Naoty: Ampifanaraho amin'ny toe-javatra eo amin'ny faritra misy anao ity lesona ity.
Vakio ny "A Few Days at Long Point" nosoratan'i Arthur White; sy "The Australian Years: 1891-1900, b. 4, tt. 100-104, nosoratan'i Ellen G. White.
Ireo mpanoratra ny filazantsara dia nandrakitra ohatra maro mikasika ny fomba fanaon'i Jesosy tamin'ny fanorenana fifandraisana tamin'ny olona avy amin'ny kolontsaina hafa mba hamonjena azy ireo (Mat. 8:28-34; Mar. 5:1-20). Isika koa dia antsoina mba hanorina fisakaizana sy hiasa amin'ny olona avy amin'ny kolontsaina hafa. Ho an'ny olon-drehetra no nahafatesan'i Kristy, na inona na inona volon-koditr'izy ireo, na koa flaviany sy harenany ary tantarany. Teboka iray tokony hotsaroantsika mandrakariva izany. "Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho my an'izao tontolo izao koa."-1 Jao. 2:2.
"Tsy manatanterakany fikasan' Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa ireo izay Bo anatin'ny fianakaviany ihany no anehoany fitiavana, (...) ary ailiny tsy hahazo ny fitiavany kosa ireo olona azony ampaherezina sy itondrana fitahiana amin'ny fanamaivanana ny zavatra ilainy (...)"
"Rehefa mibaiko antsika mba hanao soa amin'ireo olona ivelan'ny tokantranontsika Andriamanitra, dia tsy midika izany fa tokony hihena ny fitiavantsika ny ankohonana na koa ny fitiavantsika ireo havana na ny firenentsika, noho ny faniriany ny hanehoantsika firaisam-po amin'ny hafa. Aoka tsy hanidy ny fitiavantsika sy ny firaisam-pontsika ao anatin'ny rindrina efatra isika, ka hamihina ny fitahiana izay nomen' Andriamanitra mba tsy handraisan'ny hafa sy hifaliany amin'izany tombontsoa izany." - ARSH, 15 Okt 1895.
Ny andraikitra nomena antsika ny ho tonga fitahiana ho an'ireo ivelan'ny sehatra mahazatra antsika, na ireo avy amin'ny kolontsaina hafa izany na ireo olona izay mila fanampiana fotsiny, dia baiko tsy azo iadian-kevitra izay Jesôsy Kristy mihitsy no nanome azy (Asa. 1:8; Mar. 11:17a).
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: