"Fa mitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalolona an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy". - 2 Pet. 3:1.8.
Mety hahafantatra misimisy kokoa ny amin'i Jesôsy isika amin'ny alalan'ny fikarohana amim-pahalianana ao amin'ny Soratra Masina, ary avy eo manaraka ny lalan’ny fahamarinana sy ny fahitsiana voambara ao anatiny,ireo izay rehetra mitombo amin'ny fahasoavana dia hijoro mafy amin'ny finoana, ary handroso hatrany.
Tokony hisy faniriana matotra ny hanatratra ny fetra ambony indrindra amin'ny maha-kristianina, ny ho mpiara-miasa amin’i Kristy, ao am-pon'ny tanora tsirairay izay nikendry ny ho mpianatr'i Jesôsy Kristy. Raha toa ka ataony tanjona ny ho anisan'ireo izay ho hita tsy manan-tsiny eo anatrehan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, dia handroso lalandava izy. Ny fomba tokana hahafahana mijoro tsara hatrany dia ny mandroso isan'andro amin'ny fiainana masina. Hitombo ny finoana raha toa ka tojo fisalasalana sy sakantsakana izy (ny finoana) ka maharesy azy ireny. Mitombo miandalana ny tena fanamasinana marina. Raha mitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy ianao, dia hampiroborobo ny tombontsoa rehetra sy ny fotoana mety rehetra hahazoana fahalalana misimisy kokoa momba ny fianana sy ny toetran'i Kristy.
Hitombo ny finoanao an'i Jesôsy araka ny ahafantaranao tsara kokoa ny Mpanavotra anao amin'ny alalan'ny fitoeranao ao amin'ny fiainany tsy misy pentina sy ny fitiavany tsy manam-petra. Tsy afaka ny hanala baraka an'Andriamanitra ianao mihoatra noho ny filazànao ny tenanao ho mpianany kanefa sady manalavitra Azy ianao no tsy voky sy tsy fenon'ny Fanahy Masina. Rehefa mitombo amin'ny fahasoavana ianao dia ho tianao ny hanatrika ireny fivoriana masina ireny, ary hijoro ho vavolombelona amimpifaliana ny amin'ny fitiavan'i Kristy eo anatrehan'ny fiangonana ianao. Amin’ny alalan'ny fahasoavany dia azon’Andriamanitra atao ny hahatonga ny tanora ho malina, ary afaka manome fahalalana sy fanandramana ho an'ny ankizy Izy. Afaka mitombo amin'ny fahasoavana isan'andro izv ireo.
Raha manohy mampifantoka ny masontsika amin'Ilay Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy isika dia ho voaaro. Saingy ny fitiavantsika dia tokony hapetraka amin'ny zavatra any ambony fa tsy amin'ny zavatra ety an-tany. Tsy maintsy misandratra ambony ary ambony kokoa hatrany amin'ny alalan'ny finoana isika amin'ny fanatrarana ny fahasoavan'i Kristy. Amin'ny alalan'ny fibanjinana ny hakantony tsy manam-paharoa no tsy maintsy hitomboantsika bebe kokoa hatrany ho amin'ilay Endriny be voninahitra. Rehefa miaina toy izany ao anatin'ny firaisana amin'ny lanitra isika dia ho sasa-poana i satana hamelapandrika ho antsika.