Ilay hany fitsipiky ny finoana

     "Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay." - Jao. 5:24. 

    Mofon'aina:

    Ny Baiboly no hany fitsipiky ny finoana sy ny foto-pampianarana (- - -) Ireo izay mampianatra ny hafatra miezinezina indrindra nomena an' izao tontolo izao hatrizay dia tokony hifehy ny fisainany mba hahatakatra ny hevitr'izany hafatra izany. Ny lohahevitry ny fanavotana no hiompanan'ny fandalinana indrindra ary tsy ho voadinika amin'ny fahafenoany izany lesona izany noho ny halaliny. Tsy misy tokony hatahoranao ny mety hahalany ritra ireo lohaheviny mahatalanjona (...)

    Mankanesa eo amin' ilay loharano mba hahafeno famelombelomana anao, mba hahatonga an'i Jesôsy ho loharano miboiboika ao anatinao ho fiainana mandrakizay. Ny fahamarinana sy ny fivavahan'ny Baiboly irery ihany no haharitra ny fisedran'ny fitsarana. Tsy natao hanolana ny tenin'Andriamanitra araka izay mety amin'ny saintsika isika mba hanomezana fahafaham-po ny faniriantsika araka izao tontolo izao, fa tokony hanontany amim-pahatsoram-po hoe: "Tompo ô, inona no tianao hataoko?" "Tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo." Tamin'ny vidiny manao ahoana re izany! Tsy tamin'ny "zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena (...) fa ny ra soan'i Kristy". Rehefa very ny taranak' olombelona dia hoy ny Zanak'Andriamanitra: "hanavotra azy ireo Aho. Ho tonga fiarovana ho azy Aho, Izaho no hisolo azy." Navelany ny akanjony maha-mpanjaka Azy, notafiany ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra Azy, mba hahatakarany ny farany lalina amin'ny fahoriana sy ny fakam-panahy mahazo ny olombelona, mba hanarenany ny toetsika lavo, sy mba hahatonga antsika ho mpandresy — dia zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra, mpandova ny fanjakana mandrakizay. (...) Tsy tokony hosedraintsika amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra avokoa ve ny tsangan-kevitra sy ny foto-pampianarana rehetra? 

    Tsy tokony hisy hevitr'olombelona avela hampiala antsika amin'ny fikatsahana lalina ny fahamarinan'ny Baiboly (...) Naniraka ny Zanany lahitokana mba ho ohatra ho antsika Izy, ary manasa antsika mba hihaino sy hanaraka Azy. Aoka tsy ho voataona hiala amin'ny fahamarinana araka izay isehoany ao amin'i Jesosy isika, satria mahita olo-malaza maro sy tsara araka ny filazany, mametraka ny heviny ho ambonin'ireo fanambarana mazava ao amin'ny tenin' Andriamanitra.

    Ny asan'i Kristy dia ny mampiala antsika amin'ny diso sy ny sandoka ho amin'ny marina sy ny tena izy. "Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan 'aina. " Jao. 8:12. — FCE, tt. 126-128. 

     

     

    Please publish modules in offcanvas position.