"Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao." - Sal. 119:9.
Mofon'aina:
Ny Baiboly manontolo dia fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra ao amin'i Kristy. Raha raisina sy inoana ary ankatoavina io, dia fiasana lehibe eo amin'ny fanovana ny toetra amam-panahy. Io no fanoitra lehibe, hery manosika, izay mampahavitrika ny hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy sy manitsy ny fiainana ho amin'izay tena fantsona marina.
Ny antony mahatonga ny tanora, ary na dia ireo efa eo amin'ny fahalehibeazana aza, ho mora voatarika eo amin'ny fakam-panahy sy ny fahotana, dia satria tsy nianatra ny tenin'Andriamanitra izy ary tsy mandinika araka izay tokony hataony. Ny tsy fananana herin'ny sitrapo matotra sy tapa-kevitra, izay miseho eo amin'ny fiainana sy ny toetra amam-panahy, dia izay vokatry ny fanaovana an-tsirambina ireo torohevitra masina avy amin'ny tenin'Andriamanitra. Tsy manao fiezahana mafana izy hampifantoka ny sainy ho amin'izay hanome eritreritra madio sy masina ho azy ka hampivily azy tsy ho eo amin'ny eritreritra tsy madio sy tsy masina ary tsy araka ny fahamarinana. Vitsy ireo izay nifidy ny anjara tsara kokoa, ka mipetraka eo an-tongotr'i Jesôsy, tahaka ny nataon'i Maria mba hianatra ny amin'Ilay Andriamanitra Mpampianatra.
Vitsy ireo mandray ny Teniny ao am-pony toy ny harena ka mampihatra izany ao amin'ny fiainany (...) Aoka hianaran'ny olona sy hosoratany ireo zavatra sarobidy ao amin'ny Soratra Masina. Aoka hatolotra ho fianarana ny fisainan'Andriamanitra ny eritreritra sy ny fahaizana ary ny fampiasana ny herin'ny atidoha maranitra (...) Tsy mahita fahafinaretana amin'ny fandinihana ny tenin'Andriamanitra ny saina izay araka izao tontolo izao; fa ho an'ny saina izay nohavaozin'ny Fanahy Masina kosa, dia misy hatsaran-tarehy avy amin'Andriamanitra sy fahazavana avy any an-danitra mamirapiratra avy amin'ireo takila masina. Izay tany hay sy efitra ho an'ny saina araka izao tontolo izao, dia manjary tany misy renirano velona ho an'ny saina ara-panahy. Ny fahalalana an'Andriamanitra araka izay aseho eo amin'ny Teniny no fahalalana tokony homena ny zanatsika. Raha vao misokatra fotsiny ny sainy dia tokony hampifankazarina amin'ny anaran'i Jesôsy sy ny fiainany. Ny lesona voalohany hatao aminy dia tokony hampianarina azy fa Rainy Andriamanitra. TMF, tt. 305,306.