Halalino

    "Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra." - Sal. 119:104. 

    Mofon'aina:

    Ho an'ny saina sy ny fanahy, tahaka ny vatana ihany, dia lalàna avy amin'Andriamanitra mihitsy ny mahazo hery avy amin'ny ezaka atao. Ny fampiasan-tena no mampitombo. Efa nomen'Andriamanitra ao amin'ny Teniny, ary mifandrindra amin'io lalàna io, izay ilaina ho amin'ny fitomboana ara-tsaina sy ara-panahy. Voarakitra ao amin'ny Baiboly avokoa ireo fitsipika rehetra ilaina ho takatry ny olombelona mba hahafahany miaina eto sy any amin'ilay fiainana ho avy. Ary afaka mahatakatra ireo fitsipika ireo avokoa ny rehetra. Tsy misy olona manan-tsaina na iray aza ka tsy handray hevitra mahasoa eo am-pamakiana na dia andalana iray ihany ao amin'ny Baiboly aza. Kanefa tsy natao ho azo amin'ny alalan'ny fandinihana tsindraindray na tapatapany ny Baiboly fotsiny ny fampianarana lehibe indrindra ao. Ny fahamarinana lehibe ao mantsy dia tsy natao ho takatry ny mpamaky maimaika fotsiny, na tsy miraika. Maro amin'ireo haren-tsarobidy ao no miafina lalina ka tsy tazana ety ivelany, koa raha tsy amin'ny fikarohana fatratra sy ezaka mitohy, dia tsy mety ho azo izany. Ireo fahamarinana izay mandrafitra ny Baiboly manontolo dia tsy maintsy trandrahina sy angonina, "Kely ety ary kely ery - Isa. 28:10. 

    Rehefa voatrandraka sy voatambatra toy izany ireo, dia hita fa mifanaraka tsara avokoa (...) 

    Ny mampiavaka ny toe-karen'ny firenena Jiosy dia voazavan'ny filazantsara. Manana ny toerany avokoa ny fitsipika tsirairay ao amin'ny tenin'Andriamanitra, ary ny sehon-javatra tsirairay dia manana ny antony. Ilay rafitra manontolo, na ny endriny na ny fampiharana azy, dia manambara ny Tompony. Tsy misy saina afaka hamorona na hamolavola izany rafitra izany afa-tsy Ilay Tsy Manam-petra ihany (...) Ary tsy ny mikaroka ny fahamarinana sy manangona izany ihany tsy akory no ataon'ny saina rehefa mandinika ny Baiboly, fa mitaky ezaka avy aminy koa izany, hahatakarana ireo lohahevitra aseho ao. Ny saina izay tsy ampiasaina afa-tsy amin'ireo lohahevitra efa mahazatra fotsiny dia tsy hitombo ary hanjary marefo (...) Amin'ny maha-fitaovana fandranitana ny saina azy, ny Baiboly dia mahomby lavitra noho ireo boky hafa rehetra, na dia atambatra aza ireo. Ireo lohahevitra mavesa-danja ao aminy, ny fahatsorana feno fahamendrehan'ireo fanambarana ao, ny hakanton'ny sary an'ohatra hita ao, dia manetsika sy manandratra ny saina amin'ny fomba izay tsy misy mahavita izany afa-tsy ny Baiboly ihany. - FK, tt. 133-135

    Please publish modules in offcanvas position.