Nahanjahanja i Losifera

    "Ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy." –Kôl. 2:15. 

    Mofon'aina:

    Tamin'ny nadroahana an'i Satana avy tany an-danitra, dia naneho ny fahamarinany Andriamanitra ary nihazona ny vonina.hitry ny seza fiandrianany. Fa rehefa nanota kosa ny olombelona tamin'ny fanekeny ny fitak'io fanahy nivadika io, dia naneho porofo mibaribary ny fitiavany Izy tamin'ny fanolorany ny Zanani-lahy tokana ho faty ho an'ilay taranaka lavo. Eo amin'ny fanavotana no anambarana ny toetra amam-panahin 'Andriamanitra. Asehon'ny fonjan-kevitra mahery vaika avy amin'ny hazo fijaliana ho hitan'ny tontolo rehetra fa tsy azo iampangana na oviana na oviana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ny lalam-pahotana nofidin'i Losifera. 

    Afa-tsarona ny tena toetran' ilay mpamitaka lehibe teo amin'ny fifanoheran'i Kristy sy Satana, nandritra ny fotoana niasan'ny Mpamonjy tety an-tany.(...) Ny fitenenan-dratsy sahisahy nataony tamin'ny nangatahany an'i Kristy hiankohoka teo anatrehany, ny fahasahiany feno fireharehana nitondrany Azy ho any an-tampon-tendrombohitra sy ny tempoliny, ny fikasan-dratsiny mifono hafetsena tamin'ny namporisihiny Azy hianjera avy tamin'ny toerana avo mahafanina, ny haromotany tsy mahalala fiatoana nihaza Azy hatraiza hatraiza, ka nanainga ny fon'ny mpisorona sy ny vahoaka hitsipaka ny fitiavany, ary tamin'ny farany dia hiantsoantso hoe: "Homboy! Homboy!" amin'ny hazo fijaliana Izy — izany rehetra izany dia nahazendana sy nahatezitra izao rehetra izao. 

    Satana no nanosika an'izao tontolo izao hitsipaka an'i Kristy. Notoherin' i Satana avokoa ny fanambarana rehetra nataon'ny Zanak'Andriamanitra ary nampiasa ny olona ho fitaovana enti-mameno fahoriana sy fijahana ny fiainan 'ny Mpamonjy izy. Ny hevi-diso toa marina sy ny fitaka izay niezahana hanakantsakanana ny asan'i Jesôsy, ny fankahalana niseho tamin'ny alalan'ny zanaky ny tsy fanarahana, ireo fiampangany lozabe nataony tamin'Ilay Anankiray Izay niaina tamin'ny hatsaram-pariahy tapitr'ohatra te-hamaly faty. Ny afon'ny fialonana sy ny faharatsim-panahy, ny fankahalana sy ny valifaty nokoboniny, dia niredareda teo kalvary nandoro ny Zanak'Andriamanitra, fa ny lanitra manontolo kosa dia sina sy tsiravina raha nibanjina izany toe-javatra izany. Ankehitriny dia mihanjahanja tsy misy fialan-tsiny intsony ny fahamelohan'i Satana. Efa nasehony ny tena toetrany maha-mpandainga sy mpamono olona azy. - HM, tt. 518,519

    Please publish modules in offcanvas position.