Olana eo amin’ ny ankohonana

    "Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. " Jao. 7:5. 

    Mofon'aina:

    Hatramin'ny fahakeliny indrindra i Jesôsy dia efa nanomboka niasa samirery ho famolavolana ny toetra amam-panahiny ary na dia ny fanajany sy ny fitiavany ny ray aman-dreniny aza dia tsy nampiala Azy tamin'ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra. "Voasoratra hoe: " izany no anton'ny fihetsiny rehetra izay tsy nitovy tamin'ny fomba amam-panaon'ny fianakaviany. Nampangidy ny fiainany anefa ny hery miasa mangina avy amin'ny raby. Na dia teo amin'ny fahatanorany aza dia nianatra ny lesona sarotra momba ny fahanginana sy ny fahari-po Izy. 

    Ireo rahalahiny, izany no niantsoana ireo zanak'i Josefa, dia niandany tamin'ireo raby. Nantitranterin'izy ireo fa tsy maintsy ankatoavina tahaka ny fitakiana nataon'Andriamanitra ny lovantsofina. Noheverin'izy ireo ho ambony lavitra noho ny tenin'Andriamanitra aza ireo fitsipik'olombelona, ary nahasorena azy mafy ny halalin'ny sain'i Jesôsy manavaka mazava ny diso sy ny marina. Ny fankatoavany hentitra ny lalàn'Andriamanitra dia nomelohin'izy ireo ka nolazainy fa ditra. Talanjona izy ireo nahita ny fahalalana sy ny fahendrena nasehony tamin'ny namaliany ny raby. Fantany fa tsy nandray fampianarana avy tamin'ireo olon-kendry Izy, nefa tsy afaka ny tsy hahita izy ireo fa i Jesôsy no nampianatra azy ireo izao. (...) 

    Nampiseho fitiavana liana ny amin'ny olona hatrany Izy tamin'ny toerana rehetra, ka nanaparitaka manodidina Azy ny fahazavana avy amin'ny fitiavam-bavaka nitory hafaliana teo Aminy. Fanomezan-tsiny ho an'ny Fariseo avokoa izany rehetra izany. Nasehon'izany fa tsy fitiavan-tena tsy akory ny fivavahana, ary ny fitiavany mahery vaika zary aretina, ny tombontsoan'ny tenany dia lavitry ny tena toe-panahy marina araka an' Andriamanitra.(...) 

    Nampangainy ho nihevitra ny tenany ho ambony noho izy ireo Izy, ka nanome tsiny Azy satria nametraka ny tenany ho ambonin'ny mpaminany, sy ambonin'ny mpisorona ary ny mpifehy ny vahoaka. Matetika izy ireo no nandrahona sy nampitahotra Azy; nefa dia tsy niraika tamin'izany Izy fa ny Soratra Masina no nataony mpitarika Azy. Tia ny rahalahiny i Jesôsy ary nandray azy ireo tamin'ny fahalemem-panahy tsy nety ritra; nialona Azy anefa izy ireo ka naneho tsy finoana sy faniniana hentitra indrindra. Tsy nahafantatra marina ny amin'ny fitondran-tenany izy ireo. — IFM, tt. 74-76.

    Please publish modules in offcanvas position.