"Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky dia zana-boriky tanora." - Zak. 9:9.
Mofon'aina:
Nanaraka ny fomba jiosy teo amin'ny fidiran'ny Mpanjaka Kristy. Ny biby izay notaingenany dia mitovy amin'ny an'ny mpanjakan'Isiraely, ary ny faminaniana dia efa nanambara mialoha fa toy izany no hidiran'ny Mesia amin'ny fanjakany. Raha vao nipetraka teo amin'ny zana-boriky Izy dia nisy akoram-pandresena mafy namakivaky ny lanitra. Niarahaba Azy ho Mesia, ho Mpanjakany ny vahoaka. Neken'i Jesôsy ankehitriny ny fanajana fatratra izay tsy nekeny mihitsy teo aloha, koa noraisin'ny mpianatra izany ho porofo fa ho tanteraka ny fanantenany maharavoravo dia ny hahita Azy hapetraka eo amin'ny seza fiandrianana. Resy lahatra ny vahoaka fa akaiky ny fotoana fanafahana azy. Azony sary an-tsaina ny tafika romana tarihina hivoaka an'i Jerosalema, ary Isiraely lasa firenena mahaleo tena indray (...). Tsy afaka nanolotra fanomezana sarobidy ho Azy izy, fa ny fitafiana ivelany no novelariny ho karipetra teo amin'ny lalany, ary naparitany teo amin'ny lalany koa ny sampan'oliva be ravina sy sampan-drofia. Tsy afaka nitarika ilay famindram-pandresena toy ny fanaon'ny mpanjaka izy, fa notapahany kosa ny sampan-drofia misandrahaka, izay tandindon'ny fandresen'ny voary, ka nahofahofany niaraka tamin'ny antsoantso mafy sy ny hosana.
(...) Efa samy nandre ny amin'i Jesôsy izy, ary nanampo ny hahita Azy ho any Jerosalema; fantany anefa fa hatramin'izao dia nampihemotra ny ezaka rehetra hametrahana Azy eo amin'ny seza fiandrianana Izy, koa gaga dia gaga ireo nandre fa Izy io.(...)
Tsy mbola neken'i Jesôsy mihitsy teo amin'ny fiainany teto an-tany hatramin'izao ny fisehoana toy izao. Tazany mazava ny ho vokatr'izany. Hitondra Azy ho eo amin'ny hazo fijaliana izany. (...) Ilaina àry ny itarihana tamin'izany ny mason'ny vahoaka rehetra ho Aminy. Ny toe-javatra izay nialoha ny fanatitra lehibe nataony dia tsy maintsy hahatarika ny saina ho amin'ny fanatitra mihitsy. Taorian'ny fisehoana toy izay nitranga tamin'ny fidirany tao Jerosalema, dia hanaraka ny fizotrany haingana ho amin'ny toe-javatra farany ny maso rehetra.- IFM, tt. 608,609,610