"Fa hoy Jesôsy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary hianareo dia madio."- Jao. 13:10.
Mofon'aina:
Mihoatra noho ny fahadiovana ara-nofo ny dikan'ireo teny ireo. Miteny ihany Kristy ny amin'ny fahadiovana ambony kokoa araka izay hasehon'ny fanasana tongotra. Madio izay avy nandro, nefa vetivety dia tratry ny vovoka ny tongotra anaty kapa ka mila hosasana indray.(...) Rehefa nisikina tamin'ny lamba famaohana Jesôsy mba hanasa ny vovoka amin'ny tongony, dia niriny ny hanasa ny fihafahafana, ny fialonana sy ny avonavona tsy ho ao am-pony amin'ny alalan'io fihetsika io indrindra. (...) Raha ny toe-tsaina nananany, dia tsy nisy na dia iray aza tamin'izy ireo, vonona ho amin'ny fandraisana miaraka amin'i Kristy. Raha tsy tonga eo amin'ny toe-tsaina feno fanetren-tena sy fitiavana izy ireo, dia tsy vonona handray anjara amin'ny fanasan'ny Paska, na handray anjara amin'ny fanompoam-pivavahana fahatsiarovana izay efa haorin'i Kristy. Tsy maintsy hodiovina ny fony. Miteraka fisarahana sy fankahalana ny avonavona sy ny fitadiavana ny tombontsoan'ny tena, nefa nosasan'i Jesôsy izany rehetra izany ka afaka tamin'ny nanasany ny tongony. Nisy fiovana teo amin'ny fihetsehampo. Nijery azy ireo Jesôsy ka afaka nilaza hoe: "Madio hianareo." Nisy firaisana teo amin'ny fo ankehitriny, nisy fifankatiavana. Nanjary nanetry tena sy azo nampianarina izy. (...)
Rehefa mivory ny mpino mba hankalaza ireo fanompoam-pivavahana ireo, dia manatrika eo ny iraka tsy hitan'ny mason'olombelona. Mety hisy Jodasy eo amin'izay mivory eo, ary raha izany, dia eo koa ny iraka avy amin'ny andrian'ny maizina, satria manotrona izay rehetra mandà ny hofehezin'ny Fanahy Masina izy. Manatrika ao koa ny anjely avy any an-danitra. Manatrika ireo mpamangy tsy hita maso ireo isaky ny fotoana toy izany. Mety hisy olona izay tsy mpanompon'ny fahamarinana sy ny fahamasinana eo amin'ny mpivory, nefa mety hanam-paniriana ny handray anjara angaha izy. Tsy tokony hosakanana izy. Misy vavolombelona eo izay nanatrika tamin'i Jesôsy nanasa ny tongotry ny mpianatra sy ny an'i Jodasy. Nisy maso izay mihoatra noho ny mason'olombelona nijery ny toe-javatra koa. (...)
Tsy misy tokony hiala tsy handray anjara amin'ny fandraisana satria misy tsy mendrika mety hanatrika eo.(...) Amin' ireny fivoriana ireny, izay notendren'i Kristy mihitsy no mihaona amin'ny vahoakany i Kristy, ka manome hery azy amin'ny fanatrehany. - IFM, tt. 696,709, np.