Ilay jiolahy nibebaka

    "Jesôsy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao."- Lio. 23:42. 

    Mofon'aina:

    Nisy tara-pahazavana nitondra fampaherezana ho an'i Jesôsy teo ambonin'ny hazo fijaliana: ny fivavahan'ilay jiolahy nibebaka izany. Samy nanesoeso an'i Jesôsy aloha ireo olona roa nohomboana niaraka taminy teo amin'ny hazo fijaliana, ary ny anankiray noho ny fijaliany dia vao mainka namoy fo sy nanohitra an-karihary. Tsy toy izany kosa ilay namany. Tsy mpamono olona mafy fo io olona io; voatariky ny namana ratsy izy, nefa tsy meloka noho ireo marobe nijoro teo akaikin'ny hazo fijaliana nanaraby ny Mpamonjy. Efa nahita sy nandre an'i Jesôsy izy ary nandre sy resy lahatry ny fampianarany, nefa ny mpisorona sy ny mpanapaka no nahatonga azy niodina niala tamin'i Jesôsy. Nitady izay hampangina ny fahareseny lahatra izy, ka nilentika lalindalina kokoa hatrany hatrany ao amin'ny fahotana, ary farany dia notazonina, notsaraina ho nanao heloka bevava ary nohelohina ho faty eo amin'ny hazo fijaliana. Niaraka tamin'i Jesôsy izy teo amin'ny trano fitsarana sy teo amin'ny lalana nankany Kalvary. Reny i Pilato nanao hoe: "Tsy hitako izay helony."- Jao. 19:4. Nomarihiny izato fihetsiny toa tahaka an'Andriamanitra, sy izato famelany heloka feno fangorahana an'ireo mpampijaly Azy. Raha teo amin'ny hazo fijaliana izy, dia hitany ireo mpitondra fivavahana lehibe maro nampiasa ny lelany hoenti-mitifitra an'i Jesôsy amin'ny fanevatevana sy ny fanivaivana. (...) Reny fa betsaka no niaro an'i Kristy tamin'ireo mpandalo. Reny izy ireo mamerimberina ny teniny sy milaza ny asany. Niverina tao aminy indray ny finoana fa io no Kristy. Nitodika tamin' ilay namany mpiray heloka taminy izy ka nanao hoe: "Moa hianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?" Tsy nanana na inona na inona atahorana amin'ny olona intsony ireo mpangalatra efa ho faty ireo. Nefa nanindry azy ny fahalalana mazava fa misy Andriamanitra tokony hatahorana sy ny hoavy izay tokony hampangovitra. (...)

    Nanazava ny sainy ny Fanahy Masina ary nifanatona tsikelikely hifampitohy ireo mason'ny rojo nahafantarany ny marina (...) Tamin'ny feo feno fanantenana sy tebiteby no niantorahan'ny fanahy tsy manan-kery sy efa ho faty ity teo amin'ny Mpamonjy miala aina: "Tompo ô, tsarovy aho," hoy ny antsoantsony, "rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao."

    Avy hatrany dia tonga ny valiny . Malefaka, mamelovelo, feno fitiavana sy fangorahana ary hery ny teny nanao hoe: "Lazaiko aminao marina tokoa anio, hihaona Amiko any an-Paradisa hianao."-IFM, tt. 807,808

    Please publish modules in offcanvas position.