"Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo."- Mat. 28:6.
Mofon'aina:
Nisy horohorontany nanamarika ny ora nanoloran'i Kristy ny ainy, ary nisy horohorontany koa vavolombelon' ny fotoana nandraisany Azy tamim-pandresena. Ilay naharesy ny fahafatesana sy ny fasana no indro mivoaka avy ao, mamindra toy ny mpanafika mandresy, eo anivon'ny fihovitrovitry ny tany, ny fanjelanjelatry ny tselatra, sy ny firefodrefotry ny kotroka. (...)
Nomem-boninahitra nivoaka ny fasana Kristy; ary nibanjina Azy ny miaramila romana mpiambina. Nifantoka tamin'ny tavan'Ilay vao nihomehezany sy noharabiany vao haingana teo ny fijeriny (...).
Lavo ka nanjary toy ny maty ny miaramila romana mpiambina teo anatrehan'ny anjely sy ny Mpamonjy nomem-boninahitra. Rehefa takona tsy teo imasony intsony ireto mpanotrona avy tany an-danitra, izay vao tafarina izy ka nitsangana nankeny am-bavahadin'ny saha haingana araka izay azon'ny tongony nipararetra natao. Nivembena tahaka ny olona mamo izy niolomay ho any an-tanàna nilaza ny vaovao mahagaga tamin'izay nifanena taminy. Nizotra ho any amin'i Pilato izy, nefa efa nisy nitondra tany amin'ny manam-pahefana jiosy ny tatitra nataony, ka nampiantso azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ho eo anatrehany aloha. Hafahafa ny fisehon'izy ireo. Nangovitry ny tahotra izy, ny endriny hatsatra, raha nijoro ho vavolombelon'ny nitsangan'i Kristy tamin'ny maty. Nambaran'ny miaramila ny zavatra rehetra araka izay hitany tokoa; tsy nanam-potoana hiheverana na hilazana afa-tsy ny marina izy. Nananosarotra izy raha nilaza hoe: Zanak'Andriamanitra Ilay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana; nisy anjely reny nilaza Azy ho Andrianan'ny lanitra, Mpanjakan'ny voninahitra.
Tahaka ny an'ny maty ny tavan'ny mpisorona. Niezaka ny hiteny i Kaiafa. Nihetsika ny molony, nefa tsy nahaloa-peo. (...) Dia nomena tatitra lainga ny miaramila. (...)
Nihoby i Satana raha napetraka tao am-pasana Jesôsy . Sahy nanantena izy fa tsy ho velona intsony ny Mpamonjy. Nitaky ny fatin'ny Tompo izy ka napetrany manodidina ny fasana ny mpiambiny, niezaka ny hitana an'i Kristy ho mpigadra. Romotry ny hatezerana izy rehefa nandositra tamin'ny fahakaikezan'ny mpitondra hafatra avy any an-danitra ny anjeliny. Rehefa nahita an'i Kristy nivoaka tamim-pandresena izy dia fantany fa hisy fiafarana ny fanjakany, ary tsy maintsy ho faty izy amin'ny farany.- IFM, tt. 840,841,843