"Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra."- Sal. 24:7.
Mofon'aina:
Tonga ny fotoana hiakaran'i Kristy ho any amin'ny seza fiandrianan'ny Rainy. Andriamanitra mpandresy Izy ary efa hiverina ho any amin'ny lapan'ny lanitra mitondra ny vokatra azony tamin'ny fandreseny. (...)
Nizotra ho any an-tendrombohitra niaraka tamin'ny mpianany iraika ambin'ny folo lahy Jesosy ankehitriny. Raha nandalo ny vavahadin'i Jerosalema Izy, dia maso maro no gaga nijery ity andian'olom-bitsy, notarihin'Ilay Anankiray izay nomelohin'ny mpanapaka herinandro vitsy talohan'izao sy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana. (...)
Nitsotra ny tanany hitahy, ary toy ny nanome toky ny fiarovany sy ny fikarakarany, dia niakatra moramora niala teo aminy Izy, nosarihan'ny hery mafy noho ny hery maninton'ny tany hiakatra ho any an-danitra. (...)
Raha mbola variana niandrandra sy nitazana ny mpianatra, dia nisy feo niteny taminy izay toy ny feon'ny zava-maneno kanto indrindra. Nitodika izy, ka nahita anjely roa naka ny endriky ny olona, niteny taminy ka nanao hoe: "Ry lehilahy Galiliana, nahoana no myanona eto mijery ny lanitra hianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra."- Asa. 1:11.
Anisan'ireo anjely niandry tao amin'ny rahona mamirapiratra hanotrona an'i Jesôsy ho any amin'ny fonenany any an-danitra ireo anjely ireo. Nanana ny toerana ambony indrindra izy teo amin'ny tafiky ny anjely, izy roa ireo no tonga teo amin'ny fasana tamin'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, ary niaraka taminy nandritra ny fiainany teto an-tany. Dodona dia dodona ny lanitra manontolo niandry ny fiafaran'ny nijanonany teo amin'izao tontolo izao simban'ny ozon'ny fahotana. (...)
Niandry ny lanitra manontolo handray ny Mpamonjy tonga soa tao amin'ny lapa any an-danitra. Jesôsy no niakatra voalohany narahin'ny marobe afaka nitsangana tamin'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty. Ny tafiky ny lanitra kosa, nanao antsoantso sy horakora-piderana ary hiran'ny lanitra, nitomefy nanodidina an'ireto marobe milahatra.
Raha nanatona ny tanànan' Andriamanitra ireo, dia nifamaly ny anjely mpanotrona: "Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra"- IFM, tt. 889,890,891,893.
.