Ny vokatry ny fanosorana an’i Kristy ho Mpanjaka

    "Jesôsy (...) mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy."- Heb. 12:2. 

    Mofon'aina:

    Ny niakaran'i Kristy tany an-danitra no famantarana fa handray ny fitahiana nampanantenaina ny mpanaraka Azy. Tokony hiandry an'izany izy alohan'ny hidirany amin'ny asany. Rehefa niditra tao amin'ny varavaran'ny lanitra Kristy, dia napetraka teo amin'ny seza fiandrianana teo afovoan'ny anjely nankalaza Azy Izy. Raha vantany vao vita io lanonana io, dia nidina tamin'ny mpianatra toy ny riaka sarobidy ny Fanahy Masina, ka nomem-boninahitra marina tokoa i Kristy, dia tamin'ny voninahitra niarahany nanana tamin'ny Ray hatramin'ny mandrakizay alaovalo. (...)

    Namafy voan'ny fahamarinana sy nanondraka azy tamin'ny rany Izy nandritra ny fiainany teto amin'ity tany ity. Vokatr'io famafazana io ny fibebahana niseho tamin'ny Andro Pentekosta, vokatra nojinjaina tamin'ny asan' i Kristy izany, manambara ny herin'ny fampianarany. 

    Raha ny fonjan-kevitra nentin'ny apôstôly fotsiny, na dia mazava sy maharesy lahatra aza, dia tsy ho nanala ny hevitra nibahana tao an-tsain'izy ireo izay efa nanohitra zavatra hita mazava dia mazava. Fa ny Fanahy Masina no nanome ny teny halahatra ho tafapaka ao am-po, niaraka tamin'ny herin'Andriamanitra. 

    Zana-tsipika maranitry ny Tsitoha ny tenin'ny apôstôly  izay nampiaiky ny olona ny amin'ny heloka mahatsiravina nataony tamin'ny nandavany sy nanomboany ny Tompon'ny voninahitra. 

    Notezain'i Kristy ny mpianatra mba hahatsapa ny ilàny ny Fanahy. Nampianarin'ny Fanahy izy mba handray ny toetra nilainy farany ary nandeha nanao ny asany mandritra ny fiainany. Tsy olona tsy nahita fianarana sy tsy nanana kolontsaina intsony ireo. Tsy olona tsirairay samy mitokantokana no nangonina, na singan-javatra tsy mifanaraka, sy mifanolana. Tsy nipetraka tamin'ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao intsony ny fanantenany. "Niray saina", "niray fo sy fanahy" izy (Asa. 2:46; 4:32). Kristy no nameno ny eritreriny; ny fandrosoan'ny fanjakany no tarigetrany. Efa nanjary tahaka ny Tompony izy teo amin'ny saina sy ny toetra amam-panahy. (...) 

    Nitondra ny fahazavana avy any an-danitra ho azy ireo ny Pentekosta. Novelarina ankehitriny ireo fahamarinana izay tsy nety ho azony fony Kristy teo amin'izy ireo. Nekeny tamin'ny finoana sy ny toky izay tsy nananany mihitsy talohan'izao ny fampianaran'ny Teny Masina.- VM, U. 36,40,41, np

    Please publish modules in offcanvas position.