" Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana."- Mat. 11:28.
Mofon'aina:
Ny olona sasany mihevitra, fa tsy maintsy hozahan-toetra aloha izy, sady tsy maintsy mampiseho fiovan-toetra eo anatrehan'Andriamanitra, vao mahazo mitaky ny fahasoavany. Nefa na dia amin'izao fotoana izao indrindra aza, dia azony takina ny fahasoavan'Andriamanitra.(...) Tian'i Jesôsy ny hanatonantsika Azy amin'izao toetrantsika izao, dia izao ratsy sy malemy ary tsy mahaleo tena izao. (...) Voninahitra ho Azy ny misakambina antsika amin'ny tanam-pitiavana sy ny mamehy ny ferintsika ary ny manadio antsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra.
Izao no mahadiso ny olona betsaka. Tsy mino izy fa ny tenany manokana mihitsy, izy tsirairay avy mihitsy, no avelan'i Jesôsy. Tsy mitana an'Andriamanitra amin'ny teny nataony izy. Tombontsoa ho an'izay rehetra manaiky ny fiantsoana ny mahalala fa ny famelan-keloka dia omena maimaim-poana hanafaka, na ota inona, na ota inona. Esory ny fiheverana diso hoe tsy kasaina ho anao ny teny fikasan'Andriamanitra. Ho an'ny mpanota mibebaka rehetra izany. (...) Tsy misy olona, na ratsy toy inona, na ratsy toy inona, ka tsy hahita hery sy fahadiovana ary fahamarinana ao amin'i Jesôsy, Izay efa maty nisolo azy. Tsy misy zavatra iriny toy ny hanendaka ny fitafiantsika voapentina sy voaloton'ny ota ka hampiakanjo antsika amin'ny akanjo fotsin'ny fahamarinana. Miangavy antsika ho velona Izy fa tsy ho faty. (...)
Ny heviny dia hevi-piantrana, hevi-pitiavana, hevi-pamindrampo, Hoy Izy: "Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehôvah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy." - Isa. 55:7. "Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona - Isa. 44:22.
"Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehôvah Tompo. Koa mibebaha hianareo mba ho velona."-. Ezek. 18:32.
Vonona hanala ny toky mamy nomen'Andriamanitra anefa i Satana.(...) Aza henoina ny feon'ny mpaka fanahy, fa valio hoe: "Efa maty i Jesôsy mba hahavelona ahy. Tia ahy Izy ary tsy sitrany ny hahafatesako. Manan-dRay be indrafo any an-danitra aho."- DHK, tt. 63,64.