Fahatanterahana

    "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra."- Mat. 5:48. 

    Mofon'aina:

    Ny ilaina ankehitriny hahazoana ny fiainana mandrakizay dia sahala amin'ny taloha ihany  dia mitovy indrindra tamin'ny tany am-Paradisa, raha tsy mbola lavo ireo razambentsika voalohany, dia ny fankatoavana tanteraka ny lalàn'Andriamanitra, fahamarinana tanteraka. (...)

    Talohan'ny nahalavoan'i Adama dia azony natao ny hanorina toetra marina tamin'ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra. Nefa tsy nahatanteraka izany izy, ary noho ny fahotany dia simba ny toetrantsika, ka tsy haintsika atao ny mahatonga ny tenantsika ho marina. Koa satria mpanota sady ratsy isika dia tsy azontsika atao ny hankatò tanteraka ny lalàna masina.(...) Nefa i Kristy efa nanao lalana hahafaka antsika. Velona teto ambonin'ny tany Izy sady nohodidinin'ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy toy izay mihatra amintsika. (...) Maty nisolo antsika Izy, ary izao dia manaiky hitondra ny fahotantsika sy hanome antsika ny fahamarinany. Raha omenao Azy ny tenanao, raha manaiky Azy ho Mpamonjy anao ianao, ary na dia efa feno fahotana nanao ahoana aza ny fiainanao, dia hisaina ho marina ianao noho ny alalany. Ny toetran'i Kristy no nisolo ny toetranao, ary hankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra ianao, toy ilay tsy nanota iny akory. 

    Mihoatra noho izany dia manova ny fo koa i Kristy. Mitoetra ao am-ponao amin'ny finoana Izy. Tsy maintsy manao izay hampaharitra izany fikambanana amin'i Kristy izany ianao, amin'ny finoana sy amin'ny fanolorana lalandava ny sitraponao ho Azy. Ary arakaraka ny anaovana izany no hiasany ao aminao, na amin'ny fikasana, na amin'ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Ka dia azonao atao ny milaza hoe: "ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin 'ny finoana ny Zanak 'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy."-Gal. 2:20. Koa izany no nilazan'i Jesôsy tamin'ny mpianany hoe: "Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo."- Mat. 10:20.(...)

    Koa dia tsy manana na inona na inona ao amin'ny tenantsika izay azo ireharehana isika. Tsy manana antony izay azo andokafan-tena isika. Ny hany anton'ny fanantenantsika, dia ny fahamarinan'i Kristy isaina ho antsika sy ny asan'ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika sy amin'ny alalantsika.- DHK, tt. 72-73. 

    Please publish modules in offcanvas position.