"Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy."- Mat. 12:30.
Mofon'aina:
Tadiavin'i Satana mandrakariva ny handresy ny vahoakan' Andriamanitra amin'ny fandrodanana ny fefy izay mampisaraka azy amin'izao tontolo izao. Voatarika hanota Isiraely fahizay rehefa nanandranandrana niditra tamin'ny fikambanana tamin'ny jentilisa izay nandrarana azy. Amin'ny fomba toy izany koa no mahavoasarika an'Isiraely ankehitriny. "Nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao (...) ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra."- 2 Kôr. 4:4. Izay rehetra tsy mpanaraka marina tokoa an'i Kristy dia mpanompon' i Satana. Ao amin'ny fo tsy voaova dia misy fitiavana ny fahotana ary fironana hankamamy sy hanala tsiny azy. Ao amin'ny fo voaova kosa dia misy fankahalana ny fahotana sy fanoherana hentitra an'izany.
Ny fanarahana ireo fomba amam-panaon'izao tontolo izao dia mampiova fo ny fiangonana ho an'izao tontolo izao; fa na oviana na oviana dia tsy hampiova fo an'izao tontolo izao ho an'i Kristy. Ny fifankazarana amin'ny fahotana dia tsy maintsy hahatonga toetra tsy maharikoriko azy' loatra intsony.(...) Rehefa tratry ny fitsapana isika, eo am-panaovana ny adidy, tahaka izay nanjo an'i Daniela tao an-dapan'ny mpanjaka, dia mahazo matoky isika fa hiaro antsika Andriamanitra; nefa raha minia mankahatra ny fakam-panahy isika, dia ho lavo, na ho ela na ho haingana.
Matetika no mahomby tokoa ny mpaka fanahy amin'ny alalan'ireo izay tsy ampoizina indrindra fa eo ambanin'ny fifehezany. Ny olona manan-talenta sy nahita fianarana dia deraina sy ankalazaina, toy ny afaka hanonitra ny tsy fisian'ny fahatahorana an'Andriamanitra ery ireny toetra ireny, na hahatonga ny olona hankasitrahan'Andriamanitra. Ny talenta sy ny fahaizana, amin'ny maha-izy azy, dia fanomezan'Andriamanitra; nefa raha atao solon'ny fitiavam-bavaka ireny, ka tsy hampanakaiky ny fanahy amin'Andriamanitra fa mampanalavitra ny tena Aminy, amin'izay dia manjary ozona sy fandrika. Misy hevitra manjaka amin'ny maro milaza fa izay rehetra manana endrika ho araka ny fahalalam-pomba na ny fahaiza-miaina dia tsy maintsy mifanaraka amin'i Kristy raha dinihina. Tsy mbola nisy fahadisoan-kevitra goavana toy izany. Ny toetra soa toy ireny dia tokony handravaka ny toe-panahin'ny Kristiana, satria manan-kery lehibe miasa mangina hanohana ny fivavahana marina izany; nefa tsy maintsy ho voatolotra ho an'Andriamanitra, raha tsy izany dia hanjary hery ho an'ny ratsy koa.- HM, 526-527