Finoana sy vavaka mangina

    "Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy."- Sal. 55:17. 
    Mofon'aina:

    Mifikitra amin'ny fitahiana nampanantenaina ny tena finoana, ary mitaky izany raha tsy mbola tanteraka akory izany. Amim-pinoana no tokony hampiakarana ny fangatahantsika ho any amin'ny efitra masina indrindra sy hamikiran'ny finoantsika amin'ny fitahiana nampanantenaina ary koa hitakiantsika izany. (...) Rehefa tanteraka ny fitahiana nampanantenaina ary iainana dia tsy ilaina intsony ny finoana. Maro anefa no mihevitra fa manana finoana lehibe izy ireo rehefa mizara ny amin'ny Fanahy Masina; ary koa tsy afaka ny hanana finoana izy raha tsy mahatsapa ny herin'ny Fanahy. Ny olona tahaka izany dia manafangaro ny finoana amin'ny fitahiana azo amin'ny alalan'ny finoana. Amin'ny fotoana ahatsapantsika fa tsy manana ny Fanahy isika no mety indrindra ampiasana ny finoana. (...) Ny tena finoana marina dia miorina amin' ireo teny fikasana ao amin'ny tenin' Andriamanitra, ary ireo izay mankatò izany Teny izany ihany no afaka mitaky ireo teny fikasana be voninahitra ao. (...) 

    Tokony ho betsaka ny vavaka mangina ataontsika. (...) 

    Nanontany ilay anjely aho hoe nahoana no tsy misy finoana sy hery intsony ao amin'ny Isiraely. Izao no nolazainy: "Maika loatra hiala amin'ny sandrin'Andriamanitra ianareo. Akaro ho eo amin'ny seza fiandrianana ny fangatahanareo ary mifikira amin'ny finoana matanjaka. Azo antoka ny teny fikasana. Minoa fa ho azonareo izay angatahinareo ary homena anareo tokoa izany." (...) Naseho ahy fa nisalasala ny amin'ireo teny fikasana azo antoka isika ary nampalahelo ny Mpamonjy noho ny tsy fahampian'ny finoantsika. (...) Raha vitan'ny fahavalo ny mampiala ny mason' ireo izay kivy ka tsy hijery an'i Jesôsy izy fa hijery ny tenany sy ny tsy fahamendrehany- kanefa tokony hibanjina an'i Jesôsy sy ny fitiavany ary ny fahamendrehany sy ny famindrampony lehibe izy - dia hoesorin'ny fahavalo tsy ho eo aminy ny ampingan'ny finoana ka ho tratra ny tanjony [fahavalo]. Ho tratran'ny fakam-panahy mivaivay ireo olona kivy ireo amin' izany. Araka izany, aoka ny malemy hitodika amin'i Jesôsy sy hino Azy; rehefa izay dia hampiasa ny finoany izy ireo.- EW, tt. 72,73

    Please publish modules in offcanvas position.