Mivavaha toa an’i Jakoba

Imprimer

"Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho." – Gen. 32:27. 

Mofon'aina:

Ny andro feno fahoriana sy tebiteby eo anoloantsika dia hitaky finoana izay mahatanty hatrotrahana, fiandrasana ela sy hanoanana - finoana izay tsy ho reraka na dia voasedra mafy aza. Omena ny rehetra ny androm-pahasoavana mba hiomanana ho amin'io fotoana io. Nandresy i Jakoba satria nanam-paharetana izy sady matotra tamin'ny finiavany. Ny fandreseny dia manaporofo ny herin'ny fivavahana maharitra. Izay rehetra mifikitra amin'ny teny fikasan'Andriamanitra, tahaka ny nataony, ka mafana fo sy manam-pikirizana tahaka azy, dia hahomby tahaka ny nahombiazany koa. Izay rehetra tsy vonon-kandà ny tenany, ka hitolona mafy amin'Andriamanitra, hivavaka amim-paharetana sy hitaky amin'ny fo mafana ny fitahiany, dia tsy hahazo izany. Ny mitolona amin'Andriamanitra - vitsy dia vitsy no mahalala izany! (...)

Tataovan-doza lehibe izay tsy manana afa-tsy finoana kely ankehitriny, fa ho resin'ny herin'ny fitaka ataon'i Satana sy ny didy hanery ny feon'ny fieritreretana izy. Ary na dia haharitra ny fisedrana aza izy dia ho latsaka anatin'ny fijaliana sy ny tebiteby lalina kokoa amin'ny andro fahoriana, satria tsy mba nizatra mihitsy hatoky an' Andriamanitra. Ireo leson' ny finoana izay nataony an-tsirambina dia tsy maintsy hianarany ao ambany faneren'ny fahakiviana mahatsiravina. 

Ankehitriny no tokony hifankazarantsika amin' Andriamanitra amin'ny hanaporofoantsika ny fahamarinan'ny teny fikasany. Soratan'ny anjely ny fivavahana mafana rehetra miloatra avy amin'ny fo madio. Aleo kokoa isika mihafy tsy hanome fahafaham-po ny fanirian'ny tena toy izay hanao an-tsirambina ny firaisana amin'Andriamanitra. Aleo ny fahantrana lalina indrindra, ny fahafoizan-tena lehibe indrindra, misy ny fankasitrahan'Andriamanitra toy izay ny harena, ny voninahitra, ny fahasambarana sy ny fisakaizana tsy ahitana izany. Tsy maintsy manokana fotoana hivavahana isika. Raha ny zavatra momba ny tany no mameno ny fisainantsika ka tsy manam-potoana hivavahana intsony isika, dia hisalovana Andriamanitra ary hanaisotra ireny sampy ireny amintsika, na vola izany, na trano na tany mahavokatra.

Tsy ho voatarika amin'ny fahotana ny tanora raha mandà tsy handeha amin'ny lalana tsy ahazoany mangataka ny fitahian'Andriamanitra. (...) Ho toy ny zanak'andriana no fihevitry ny lanitra azy, satria nandresy izy teo amin'ny tolona nifanaovany tamin'Andriamanitra sy ny olona. – HM, tt. 647,648.