Tsy mahasasatra an’Andriamanitra ianao

    "Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao" – Sal. 143:1. 

    Mofon'aina:

    Aoka halefa hiakatra ny fanahy mba hahazoan'Andriamanitra mampiaina antsika amin'ny rivotry ny lanitra. Azontsika atao ny ho akaiky indrindra an'Andriamanitra, ka raha mamely tampoka ny fakam-panahy dia hitodika faingana any Aminy ny saintsika dia toy ny fitodiky ny voninkazo any amin'ny masoandro. 

    Ento mandrakariva eo anoloan' Andriamanitra ny ilainao, ny fifalianao, ny fahorianao, ny fanahianao, ny tahotrao. Tsy hahasasatra na hahavalaka Azy ny anaovanao izany. Tsy hanao tsinontsinona izay ilain'ny zanany Ilay mahay manisa ny volon-dohanao. "Miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po". Ny fony feno fitiavana dia mangoraka noho ny fahoriantsika, eny, na dia noho ny fitantarantsika ireny aza. Ento eo Aminy ny zavatra rehetra manahirana ny saina. (...) Tsy misy na inona na inona izay momba ny fiadanantsika azo atao hoe kely loatra ka tsy ho hitany. Tsy misy toko ao amin'ny zava-mihatra amintsika azo atao hoe maizina loatra ka tsy ho voavakiny; tsy misy zava-tsarotra manahirana loatra, ka tsy ho hainy hazavaina. Tsy misy loza mahazo mihatra na dia amin'izay kely indrindra amin'ny zamany aza, tsy misy tebiteby mampijaly ny fanahy, tsy misy fifaliana mahamiramirana, tsy misy fivavahana marina navoaky ny vava, izay tsy voadiniky ny Raintsika Izay any an-danitra, na tsy nanaitra Azy niaraka tamin'izay. "Manasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny". Ny firaisan'Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miavaka sady feno indrindra, ohatra ny tsy nisy afa-tsy iny fanahy iny no nanomezany ny Zanany malalany. 

    Hoy i Jesôsy hoe: "Hangataka amin'ny anarako hianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo; fa ny Ray dia tia anareo". "Izaho no nifidy anareo mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona". Nefa ny hoe mivavaka amin'ny anaran'i Jesôsy dia mihoatra noho ny manonona fotsiny ny anarany amin'ny fiandohana sy ny fiafaran'ny fivavahana. Amin'izany dia mivavaka araka ny toe-tsaina sy ny toe-panahin'i Jesôsy, mino ny teny fikasana avy Aminy, miankina amin'ny fahasoavany ary manao ny asany. (...) – DHK, tt. 114-116.

    Please publish modules in offcanvas position.