Mahatonga fitomboana ara-panahy ny vavaka

Imprimer

"Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety  an-tany." Kôl. 3:2. 

Mofon'aina:

Izay nanapa-kevitra hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra dia hahita tsy ho ela fa ny hery rehetra, sy ny filana namatotra ny fiainany fony tsy mbola niova fo, izay nohamafisin'ny herin'ny fanjakan'ny maizina, dia nitsangan-kanohitra azy. Koa dia tsy maintsy manavao ny fanoloran-tenany isan'andro amin'ny Tompo izy, ka hiady amin'ny ratsy. Hirohotra hanao izay hifehezana azy ny fahazaran-dratsy teo aloha, sy ny fironana ho amin'ny ota nolovany. Koa dia tsy maintsy miambina mandrakariva tsy ho azon'ny fahavalony izy, ka hampiasa ny fiadian'i Kristy mba hahazoany fandresena (...) Feno anatra sarobidy indrindra ny epistily ho an'ny Kolosiana, ary natao ho an'izay rehetra manao ny asan'i Kristy izany – anatra maneho ny fahatsorana sy ny fahamendrehan'ny fikasana izay tokony ho hita eo amin'ny fiainan'izay vavolombelona mendrika ny Mpamonjy. 

Tsy maintsy hafoin'ny Kristiana ny zavatra rehetra mety hisakana azy amin'ny fanohizana ny diany miakatra, toy izany koa izay rehetra mety hampivily lalana azy hiala amin'ny lalana tery; aoka ho hita isan'andro eo amin'ny fiainany andavanandro ny famindrampo, ny hatsaram-panahy, ny fanetren-tena, ny halemem-panahy, ny faharetana, ny fitiavana an'i Kristy. 

Ilaintsika loatra ny hanana fiainana madio, mendrika kokoa, ambony kokoa. Fatra-pihevitra loatra ny tany isika, ary tsy ampy ny fiheverantsika ny fanjakan'ny lanitra. (...) 

Tsy asian'ny Tompo fetrany ny hamenoana izay rehetra manam-paniriana "hahalala tsara ny sitrapony amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy". Amin'ny fivavahana sy ny fiambenana ary ny fitomboana ao amin'ny fahalalana an'Andriamanitra, no ampaherezana azy amin'ny zavatra rehetra, avy amin'ny hery be voninahitra. Amin' izany no hahazoany miasa ho an'ny namany. Irin'ny Mpamonjy ho sandry hamonjy ny hafa ny olona voadio sy nohamasinina. Aoka hisaotra an'Andriamanitra isika noho izany tombontsoa goavana izany. "Izay nampamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan 'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika". –VM, tt. 415-417.