Manetsika ny sandrin’ny Tsitoha ny vavaka

    "Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy." - Sal. 44:3.

    Mofon'aina:

    Rehefa mitranga ny fizahan-toetra toa tsy hita hazavaina, dia tsy tokony havelantsika hosimbana ny fiadanantsika anaty. Na dia tsy rariny toy inona aza ny atao amintsika, dia toneo ny fo tsy ho tezitra. (...)

    Mitombo amin'ny faharatsiana izao tontolo izao, tsy misy amintsika ilaina hamita-tena ka hilaza fa tsy misy manahirana antsika. Fa ireo zava-manahirana ireo indrindra no mitondra antsika eo amin'ny efitra fandraisana any amin'ny Avo indrindra. Azontsika atao ny mangataka torohevitra amin'Ilay tsy manam-pahataperana amin'ny fahendrena. 

    Hoy ny Tompo: "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana" Sal. 50:15. Manasa antsika Izy hitalaho mafy Aminy sy hitondra eo anatrehany ny fahasahiranantsika sy ny fahantrantsika ary ny hilantsika ny fanampian'Andriamanitra. Mibaiko antsika ho dodona eo amin'ny fivavahana IzY. (...) 

    Matetika ireo izay miaritra ny faninitsiniana sy ny fanenjehana noho ny finoany no alaim-panahy hihevitra fa nandao azy Andriamanitra. Eo imason'ny olona dia vitsy an'isa izy. Raha ny fanombanana azy ety ivelany dia nandresy azy ny fahavalony. Nefa aoka tsy ho ketraka izy, fa Ilay efa nijaly ho azy, ka nitondra ny fahoriany sy ny fijaliany, dia tsy nandao azy. 

    Tsy avela ho irery sy tsy manam-piarovana ny zanak'Andriamanitra. Manetsika ny sandrin'ny Tsitoha ny fivavahana. Ny fivavahana dia "nandresy ny fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan'ny afo" - ho fantatsika ny hevitr' izany rehefa mandre ny tantaran' ireo maritiora maty noho ny finoany isika - "nampandositra ny miaramilan 'ny firenena hafa." - Heb. 11:33,34. 

    Raha manolotra ny fiainantsika hanompo an'Andriamanitra isika, dia tsy hapetraka na oviana na oviana eo amin'ny toerana tsy ahazoany mikarakara antsika. (...) Raha diso famindra isika noho ny tsy fahalalantsika dia tsy afoin'i Kristy tsy akory. Re ny feony mazava sy miavaka tsara manao hoe: "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana"- Jao. 14:6. "Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy" - Sal. 72:12.-HF, tt. 169-171, np.

    Please publish modules in offcanvas position.