"Ho velona araka an 'Andriamanitra amin 'ny fanahy." – 1 Pet. 4:6.
Mofon'aina:
Nefa betsaka no tsy manana finoana velona. Io no antony tsy hahitany bebe kokoa ny herin'Andriamanitra. Vokatry ny tsy finoany ny fahosany. Be finoana kokoa ny momba ny asany izy noho ny momba ny asan'Andriamanitra ho azy. Raisiny ho andraikitra ny zavatra rehetra. Manao drafitra sy misaina izany izy, nefa kely fivavaka, ary kely ny tena fitokisany an'Andriamanitra. Mihevitra izy fa manana finoana, nefa fihetseham-po amin'ny fotoana mandalo ihany izany. Diso izy ka tsy mahatsapa izay ilain'ny tenany, na ny fahavononan'Andriamanitra hanome, ka tsy maharitra mangataka amin'ny Tompo.
Tokony hivavaka fatratra sy maharitra tahaka ilay sakaiza sahirana izay nangataka mofo tamin'ny misasak'alina isika. Arakaraka ny hafanam-pontsika sy ny fifaharantska hangataka, no haha-ety kokoa ny firaisantsika ara-panahy amin'i Kristy. Handray fitahiana mitombo isika satria manana finoana mitombo.
(...) Aoka ny teny sy ny fihetsikao hifandrindra amin'ny fivavahanao. Misy fahasamihafana goavana amin'ny hoe finoana voazaha toetra amin'ny afon'ny fitsapana, sy ny fivavahana ara-pomba fotsiny.
Rehefa mitranga ny fahaverezan-kevitra ka mifanehatra amin'ny zava-tsarotra ianao, aza mitaky fanampiana amin'ny olombelona. Apetraho amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Ny fomba milaza ny zava-manahirana antsika amin'ny hafa dia mahatonga antsika fotsiny ho malemy sady tsy mitondra hery ho an'izay mihaino antsika. (...)
Tsy ilainao ny ho any amin'ny faran'ny tany hitady fahendrena fa akaiky antsika Andriamanitra. Tsy ireo fahaiza-miasa anananao ankehitriny na mety mbola ho azonao no hanome anao fahombiazana fa izay azon'ny Tompo atao ho anao. Tokony ho kely mihitsy ny fitokisantsika izay azon'ny olona atao, fa ny fitokisantsika izay azon'Andriamanitra atao ho an'ny fanahy mino kosa, dia tokony ho be lavitra. Iriny indrindra ny hikatsahanao Azy amin'ny finoana. Iriny indrindra ny hanantenanao zava-dehibe avy Aminy. Iriny indrindra ny hanome anao fahatsapana eo amin'ny zavatra ara-nofo sahala amin 'ny eo amin 'ny zavatra ara-panahy. Afaka mandranitra ny saina izy. Afaka manome fahaizana mifandray amin'ny olona sy fahaizana manao zavatra izy. Apetraho eo amin'ny asan'Andriamanitra ny talentanao, ary mangataha fahendrena Aminy, dia homena anao izany. – HF, tt. 139,140