Ny herin’ny vavaka mangina

     "Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao." — Mat. 6:6. 

    Mofon'aina:

    Manàna fitoerana hivavahana mangina. I Jesôsy nanana fitoerana voafidy hikambanany tamin'Andriamanitra, ary isika koa tokony hanana izany. Ilaintsika matetika ny hitokana amin'ny fitoerana anankiray, na dia ambanimbany aza izany, mba hahazoantsika mitokana miaraka amin'Andriamanitra. 

    "Mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina." Amin'ny anaran'i Jesôsy no tokony hanatonantsika eo anatrehan'Andriamanitra, manana fahatokiana toy ny zazakely. Tsy ilana olona atao mpanelanelana. Amin'ny alalan'i Jesôsy no tokony hamborahantsika ny fontsika amin'Andriamanitra Izay mahalala sy tia antsika. 

    Ao amin'ny fitoerana mangina hivavahana, izay tsy misy mahita afa-tsy ny mason'Andriamanitra ihany, ary tsy misy mandre afa-tsy ny sofiny ihany, dia azontsika borahina amin'Ilay Ray be fiantra tapitra ohatra ny faniriana sy ny hataka miafina indrindra tiantsika hatao; ary ao amin'ny fahanginan'ny fanahy no hitenenan'ilay feo izay tsy sasatry ny mamaly ny fitarainan'ny zanak'olombelona (...) 

    Tsy hitaraina foana ireo izay mitady an' i Jehôvah ao amin'ny mangingina, ka milaza amin'ny Tompo izay ilainy ary mangataka fanampiana aminy. "Ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao." Raha i Kristy no ataontsika namana isan'andro, dia hotsaroantsika fa ny hery rehetra avy any ambony dia manodidina antsika; ary amin'ny fibanjinantsika an'i Jesôsy no hahatonga antsika hitovy endrika aminy. Amin'ny fibanjinantsika Azy no mahatonga antsika ho voaova. Amin'izany ny toetra dia mihamalefaka, mihatsara, misondrotra ho ambony kokoa, ho mendrika ny fanjakan'ny lanitra. (...) 

    Ny fanahy izay mitodika amin'Andriamanitra mba hangataka aminy ny fanampiany sy ny fanohanany ary ny heriny amin'ny fivavahana fatratra isan'andro, dia hanana faniriana ambony sy fahalalana mazava ny marina sy ny adidy, ary ny fikasana ambony amin'ny asa, ka ho noana sy hangetaheta lalandava ny fahamarinana. (...) Ny hery azo avy amin'ny fivavahana amin'Andriamanitra, arahin'ny fikelezana aina maharitra amin'ny fanazarana ny saina hihevitra sy ho malina, dia manomana antsika ho amin'ny fanefana ny adidy isan'andro ary mampitoetra ny fanahy ao amin'ny fiadanana amin'ny toe-javatra miseho rehetra. — S, tt. 74-76

    Please publish modules in offcanvas position.