Fanehoam-pankasitrahana

    "Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy." – Gen. 2:3. 

    Mofon'aina:

    Rehefa nitsahatra tamin'ny andro fahafito Andriamanitra, dia nanamasina izany andro izany Izy, izany hoe, nanokana azy ho toy ny andro fitsaharana ho an'ny olona. (...)

    Tao amin'ny saha Edena no nananganan'Andriamanitra fahatsiarovana ny asa famoronana nataony, tamin'ny nametrahany ny fitahiany tamin'ny andro fahafito. Napetrany tamin'i Adama, izay ray sy solontenan'ny taranak'olombelona rehetra, ny Sabata. Ny fitandremana azy dia mari-pisaorana avy amin'ireo rehetra honina ety an-tany, hanehoany fa Andriamanitra no Mpamorona azy ireo sy Mpanjakany manana zo feno aminy; hanehoany fa asan'ny tanany izy ireo ary voary eo ambany fahefany. Araka izany dia natao ho fahatsiarovana tokoa io zavatra natsangana io [ny Sabata izany], ary nomena ny olombelona rehetra. Tsy nisy na inona na inona ao aminy tandindon-javatra na voafaritra ho an'ny firenena anankiray manokana.

    Hitan'Andriamanitra fa zava-dehibe tena nilain'ny olona mihitsy ny Sabata, na dia tany amin'ny Paradisa aza. Nilainy ny nitsahatra tamin'ny asa aman-draharahany, amin'ny andro anankiray amin'ireo andro fito [ny andro fahafito izany], mba hahafahany mibanjina bebe kokoa ireo asan'Andriamanitra sy misaintsaina momba ny heriny sy ny fahatsarany. Nilainy ny Sabata hampahatsiahy azy an' Andriamanitra amin'ny fomba manaitra kokoa sy hamohafoha fankasitrahana ao anatiny satria ny zavatra rehetra izay nifaliany sy nananany dia avy amin'ny tanan'Ilay Mpamorona manasoa.

    Nokendren' Andriamanitra hampitodika ny sain'ny olona hibanjina ireo asa noforoniny ny Sabata. Miteny amin'ny retsipamantarany ny natiora, milaza fa misy Andriamanitra velona, dia ny Mpamorona, Mpanapaka fara tampony ny zavatra rehetra izany. «Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany, ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy». Ny hatsaran-tarehy izay mandrakotra ny tany dia famantarana ny fitiavan'Andriamanitra. Tazantsika eny amin'ireo havoana maharitra mandrakizay, eo amin'ireo hazo mijoalajoala, sy eo amin'ireo voninkazo manify vao mamelana. Izany rehetra izany dia miresaka amintsika momba an'Andriamanitra. (...) – PM, tt. 22,23. 

    Please publish modules in offcanvas position.