Herinandron’ny famoronana

    "Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany." – Gen. 1:5. 

    Mofon'aina:

    Ny herinandro, toy ny andro fitsaharana ihany, dia nisy hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. Ny Soratra Masina manontolo no nanome azy tsy nisy fiovaovana ho antsika. Andriamanitra mihitsy no nametraka ny halavany ary nametraka izany ho môdelin 'ny herinandro hifandimby rehetra, ambara-pahatongan'ny farany. Andro fito, toy ny ankehitriny ihany ilay herinandro voalohany indrindra. (...)

    Raha nanome ny lalàna tao Sinay Andriamanitra, dia nanamafy orina ny herinandro Izy, sady nanamafy ny antony isiany. Manomboka amin'ny baiko nomena ny olona ny didy fahefatra: «Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy». (...) «Fa henemana no nanaovan 'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin 'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy». Sady lehibe no manaitra izany antony voalaza izany, raha ekena ho tena andro ara-bakiteny tokoa ireo andro ireo. Natokana ho an'ny asan'ny olona ny andro enina voalohany amin'ny herinandro, ary izany dia noho Andriamanitra efa nanokana azy ireo koa hanaovany ny asa famoronany. Toy izany koa, mba ho fahatsiarovana ny fitsaharan'ny Mpamorona, dia tokony hitsahatra koa ny olona amin'ny andro fahafito. 

    Noho izany, mandrava ny fanorenan'ny didy fahefatra eo amin'ny Didy Folo ny fihamboana fa naharitra arivoarivo taona ny herinandro voalohany. Andro fito ara-bateny no heverin'ny sasany fa asain'Andriamanitra atao ho fahatsiarovana ireny fotoana lavabe ireny. Tsy izany no fomban'Andriamanitra momba ny zavaboariny. Mampiditra fisalasalana sy haizina eo amin'izay efa nohazavain'Andriamanitra tsara izany hevitra izany. Fisehoan'ny tsy finoana amin'ny fomba misoko izany, dia tsy finoana mampidi-doza, fa na dia miafinafina sy tsy miseho araka izay tena endriny aza, dia mahazo laka kosa, ka ampianarin'ny olona maro izay milaza ny tenany ho mino ny Baiboly.

    Ny Baiboly dia tsy mahalala ny taonjato lavabe izay nivoaran'ny tany tsikelikely avy teo amin'ny fikorontanana. Ny tantara masina dia manambara ny andro tsirairay avy teo amin'ny famoronana ho toy ny andro sisa rehetra mifandimby koa: dia nisy hariva ary nisy maraina; ny asa rehetra natao nandritra ny andro tsirairay avy dia samy voalaza. – PM, tt. 91,92

    Please publish modules in offcanvas position.