Mana roa avo heny

    "Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isan-andro ny olona" —Eks. 16:22. 

    Mofon'aina:

    Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona indroan'ny vata omera ny olona ho an'ny isan'ny olona avy. Dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara haingana izany tamin' i Mosesy. Ary hoy i Mosesy taminy: «Izao no lazain' i Jehôvah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehôvah . (...)

    Asain'Andriamanitra mitandrina tsara ny androny masina tahaka ny tamin'ny andron'ny Isiraely isika ankehitriny. Tokony hoheverin'ny Kristianina tsirairay ho ny tenany mihitsy no nomena ny baiko ho an'ny Hebreo. Natao ho andro fiomanana ho amin'ny andro masina ny andro mialoha ny andro fitsaharana. Tsy tokony hisalovana ny ora masina mihitsy na dia kely aza ny raharahantsika. Asam-pamindrampo tsy tokony hatao an-tsirambina; fa tsy fandikana ny andro fitsaharana tsy akory ny fikarakarana ny marary. Rehefa mety ho asa tsy ilaina kosa dia havela. Misy olona maro no mamela ny asa madinidinika izay tokony ho novitaina nandritra ny andro fiomanana ho amin'ny fiantombohan'ny Sabata. Hevi-diso izany: tokony havela amin'ny izao ireny asa tsy vita ireny mandra-pifaran'ny andro fitsaharana. Fomba tsara mampahazava ny fitadidian'ny olona maty araka maro izany.

    Isan-kerinandro dia nahita maso fahagagana telo sosona natao hitadidiana ny fahamasinan'ny andro fitsaharana ny Zanak'Isiraely. Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nilatsaka avo sasaka ny mana: ary nony tamin'ny andro fahafito, dia tsy nisy nilatsaka; ary izay nangonina tamin'io andro io dia tsy mba simba, fa izay nangonina tamin'ny andro hafa kosa simba. 

    Ireo toe-javatra rehetra niseho taurin' ny mana dia nanome porofo mazava fa tsy tamin'ny fotoana nanomezana ny lalàna tao Sinay no nanorenana ny andro fitsaharana, araka ny hiheveran'ny maro azy. Efa fanaon'ny Zanak'i Isiraely ny nitandrina io andro io, talohan'ny nahatongavany tao Sinay. Tsapany tsy tapaka ny fahamasinan'io andro io, tamin'ny tsy maintsy nanangonana mana avo sasaka ny andro Zoma. Avy amin' izany ny antony nandidiana mafy ny zanak'i Isiraely izay mivoaka hanangona mana ny Sabata maraina: «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko». — PM, t. 279-281. 

    Please publish modules in offcanvas position.