"Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany." - 1 Pet. 2:9.
Mofon'aina:
Rehefa nanafaka ny olony tamin'ny fanandevozana tany Egypta ny Tompo ka nanome azy ireo ny lalàny, dia nampianatra azy Izy fa natao hampiavaka azy ireo amin'ny mpanompo sampy ny fitandremana ny Sabata. Izany no nampiavaka ireo izay manaiky ny fahefan 'Andriamanitra tamin'ireo izay tsy manaiky Azy ho Mpamorona azy ireo sy Mpanjakany. (...)
Tahaka ny naha-famantarana ny Sabata, izay nampiavaka ny Isiraely rehefa niala an'i Egypta izy ireo ho any amin'ny tany Kanàna teto an-tany, dia toy izany koa ny Sabata ankehitriny; mampiavaka ny olon'Andriamanitra izany, izay mivoaka amin'izao tontolo izao ho any amin'ilay fitsaharana any an-danitra. (...)
Avy tao amin'ny andry rahona dia hoy i Kristy momba ny Sabata: "Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin 'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo" - Eks. 31:13. Ny Sabata famantarana ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra dia famantarana koa ny maha-Mpanamasina Azy. Ilay hery izay namorona ny zavatra rehetra ihany no ilay hery mamerina ny fanahy ho tahaka ny endrik'Andriamanitr amin'ny famoronana izany indray. Ho an'ireo izay mitandrina ny andro Sabata ka manao izany ho masina dia famantarana ny fanamasinana ny Sabata. Ny fanamasinana marina dia ny fifanarahan'ny fiainana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ny fitovian'ny toetra amin'ny an'Andriamanitra. (...) Izay mankatò amin'ny fony manontolo ny didy fahefatra dia hankatò ny lalàna manontolo. Voamasina amin'ny alalan'ny fankatoavana izy.
Na ho antsika na ho an'ny Isiraely, ny Sabata dia "fanekena mandrakizay". Ho an'ireo izay manaja ilay andro masin'Andriamanitra, ny Sabata dia marika hamantaran'Andriamanitra fa olom-boafidiny izy ireo. Fanomezan-toky izany fa hotanterahin 'Andriamanitra amin'izy ireo ny fanekeny. Tafiditra ao anatin'ilay fanekena mandrakizain'Andriamanitra ny fanahy rehetra izay manaiky ny famantarana ny fahefan'Andriamanitra. (...)
Ny didy fahefatra ihany amin'izy folo no mirakitra ny tombokasen'ilay Mpanao lalàna lehibe, dia ny Mpahary ny lanitra sy ny tany. Ireo izay mankatò io didy io dia mandray ho eo aminy ny anaran'Andriamanitra, ary azy ireo ny fitahiana rehetra vokatr'izany. — TFC, b. 6, tt. 349,350