Ny famelezan’i Satana ny Sabata

    "Hitady hanova fotoana sy lalàna [izy]".Dan. 7:25.
     Mofon'aina:
    Ilay toe-tsaina mifanaraka amin’ny fanompoan-tsampy dia nanokatra ny lalàna ho any amin’ny tsy fanajana lehibe kokoa ny fahefan’ny lanitra. Tamin’ny alalan’ireo mpitarika tsy masina tao amin’ny fiangonana no niasan’i Satana mba hamelezana koa ny didy fahefatra, ary niezahany tamin’izany ny hanafoana tanteraka ilay Sabata taloha, dia ilay andro efa notahin’Andriamanitra sy nohamasininy, ary nasandratra ho solon’izany ny fety firavoravoan’ny jentilisa, izay fanaony amin’ny andro hajaina natokana ho an’ny masoandro. Tsy natao ampahibemaso aloha io fanovana io. Notandreman’ny Kristianina rehetra ny tena Sabata tamin’ny taonjato voalohany. Saro-piaro tamin’ny voninahitr’Andriamanitra izy ireo, ary ninoany fa tsy azo ovana ny lalàny, ka dia notandremany tamin-kafanam-po ny fahamasinan’ny foto-keviny. Tamin-kafetsena lehibe àry no niasan’i Satana tamin’ny alalan’ireo mpiasany mba hahatanteraka ny fikasany. Mba hitarihana ny sain’ny olona ho amin’ny Alahady, dia natao ho andro firavoravoana ho voninahitry ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty izany. Tamin’io andro io dia nisy fanompoam-pivavahana, nefa dia noheverina ho andro fialam-boly ihany izy io, ary mbola notandremana ho andro masina ny Sabata.
    Tsy mbola nahatanteraka ny asany anefa ilay mpamitaka raindahiny.(...) Tamin'ny alalan'ny mpanompo sampy tsy nety niova fo, tamin'ny alalan'ny vavaka be hambom-po, ary tamin'ny alalan'ny olom-piangonana tia an'izao tontolo izao  no nanatanterahany ny teny fikasany. Nisy fivoriam-be fiheverandraharaha natao tsindraindray , izay nanasana ireo olona ambony ao amin'ny fiangonana avy amin'ny tany manontolo. Saiky isaky ny fivoriana dia nahen-danja hatrany ny Sabata izay naorin'Andriamanitra, fa nasandratra araka izany ny Alahady. (...) - HM, tt. 52,53. 

    Please publish modules in offcanvas position.