Mitandro ny voninahitr’Andriamanitra

    "Nomena rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra."Dan. 7:22.
     
    Mofon'aina:

    Ny Vaudois no anisan’ny Eorôpeanina voalohany indrindra nahazo ny Soratra Masina voadika tamin’ny fiteniny (...) Taonjato maromaro talohan’ny fanavaozana ara-pivavahana, dia efa nanana ny Baiboly vita sora-tanana tamin’ny tenindrazany izy. Nanana ny fahamarinana tsy voaloto izy, ary izany no nahatonga azy hianjadian’ny fankahalana sy ny fanenjehana. Nambarany fa ny fiangonan’i Rôma no Babilôna nihemotra voalazan’ny Apôkalipsy, ary nampidi-doza ny ainy ny fijoroany hanohitra ny fahalotoany. Rehefa nitohy naharitra ela ny fanerena maro noho ny fanenjehana, dia nisy nampandefitra ny finoany, ary tsikelikely dia nampilefitra ireo foto-kevitra niavaka teo amin’ny finoany, fa ny sasany kosa nitana mafy ny fahamarinana. Nandritra ireo andron’ny fahamaizinana sy ny fihemorana, dia nisy Vaudois nandà ny fahefan'i Rôma faratampony sy nitsipaka ny fiankohofana tamin’ny sary ho toy fanompoan-tsampy ary nitandrina ny Sabata marina. Nitana ny finoany izy na dia teo amin’ny tafiotra mafy indrindran’ny fanoherana aza. Na dia nandratra azy mafy aza ny lefon’ireo andrian-dahy tany Savoie ary na dia namaivay taminy aza ny antotan-kitain’ny Rôma, dia nijoro tsy azo nohozongozonina ho an’ny Tenin’Andriamanitra sy ny voninahiny izy.
     
    Tany ambadik’ireo fiarovana avo any an-tendrombohitra izay fialofana hatrizay ho an’ny nenjehina sy ny nampahorina, no nahitan’ireo Vaudois toerana hiafenana. Tao no voatahiry hirehitra hatrany ny fahazavan’ny fahamarinana teo anivon’ny haizina tamin’ny Andro Antenantenany. (...)
     
    Efa nanomana fitoerana masina miezinezina ho an’ny vahoakany Andriamanitra, izay nifanentana tamin ’ ireo fahamarinana manan-kery nankinina taminy hotehiriziny. Tandindon’ny fahamarinan’i Jehôvah tsy miova ho an’ireo olona mahatoky natao sesitany ny tendrombohitra. – HM, tt. 65,66.
     
    .

    Please publish modules in offcanvas position.