"Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo. "— Lio. 12:34.
Mofon'aina:
Endrey, vola tahaka ny inona no lanintsika amin'ny zavatra tsy ilaina akory ao an-tokantrano (...) Ry ray aman-dreny, ampianaro ny zanakareo fa fahadisoana ny mampiasa ny volan'Andriamanitra ho fanomezana fahafaham-po ny tena.... Ampirisiho izy ireo mba hanangona ireo vola madinika raha vao mety izany, mba hampiasaina amin'ny asa fitoriana. Hahazo fanandramana betsaka izy ireo amin'ny fampiharana ny fahafoizan-tena, ary izany lesona izany dia hiaro azy ireo tsy hamboly fahazarana tsy hahonon-tena.
Afaka mianatra maneho ny fitiavany an'i Kristy ny ankizy amin'ny tsy fanomezany ny tenany kilalao tsy ilaina, satria ny fifidianana ireo dia hahatonga azy handanilany vola foana. (...) Ary raha ny ankizy kely rehetra no mba mitondra ny fanatiny ho an'ny Tompo, dia ho tahaka ny rian-drano madinika ny fanomezana atolotr ' izy ireo, ka rehefa atambatra sy akoriana, dia ho tonga renirano.
Manokàna boatin-drakitra eo amin'ny toerana azo antoka, taza-maso, mba hahafahan'ny ankizy mampirina ny fanatiny ho an'i Jehovah... Amin'izay izy ireo dia ho voahofana ho an'Andriamanitra.
Tsy hoe mitaky ny ampahafolony ho azy fotsiny ny Tompo, fa milaza amintsika koa ny fomba hanokanana izany ho Azy Izy. Hoy izy : "Manomeza voninahitra ny Tompo amin 'ny fanananao sy amin 'izay voaloham-bokatrao rehetra." - Ohab. 3:9. Tsy mampianatra izany fa natao handany ny fananantsika ho an'ny tenantsika aloha isika vao hitondra ny ambiny ho an'ny Tompo, eny na dia hoe feno sy ara-dalàna aza ilay ampahafolony.
Aoka ny anjaran'Andriamanitra no hatokana voalohany. (...) "Amin 'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia aoka ny tsirairay hanokana ao an-tranofiraiketana, araka izay nitahian'Andriamanitra azy avy." Voafoaka ao anatin'izany ny ray aman-dreny sy ny ankizy eto.
Ny lova tsara indrindra azon'ny ray aman-dreny avela ho an-janany dia ny fahalalana fa ilaina ny asa sy ny oha-piainana feno fanoloran-tena tsy miandry takalony. Amin' izany fiainana izany ihany no hanehoan' izy ireo ny tena tombambidin'ny vola, izay ankafizina amin'ny zavatra tsara tanterahiny: amin'ny fanomezana fahafam-po ireo filàny sy ny fanampiany ny hafa ary ny fampandrosoana ny asan'Andriamanitra. —AH, U. 388-390