Famporisihana ny lalàna momba ny Alahady

    "Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo, na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa." — Apôk. 13:16. 

    Mofon'aina:

    Eo am-pitadiavana ny handringanana ireo izay manome voninahitra an'Andriamanitra i Satana, dia ataony izay hiampangana azy ho mpandika lalàna, ho olona manala baraka an'Andriamanitra ka hahatonga ny fitsaran'Andriamanitra amin'izao tontolo izao. (...)

    Ireo manaja ny Sabatan'ny Baiboly dia hampangaina ho fahavalon'ny lalàna sy ny filaminana, ho mpandrodana ny lalàna mamefy ny fiainana ara-pitondrantena eo amin'ny tany ama-monina, ka mahatonga fanjakan'i Baroa sy fahalotoam-pitondrantena, sady miantso ny fitsaran'Andriamanitra hianjady amin'ny tany. Holazaina fa kirina, mafy hatoka sy manao tsinontsinona ny fahefana izy ireo raha sarotiny amin'ny fanarahana ny feon'ny fieritreretany. Hampangaina ho tsy manaja ny fanjakana izy amin'izany. Hisy mpitandrina izay handà ny tsy maintsy hitandremana ny lalàn'Andriamanitra ka hamelabelatra eny ambony polipitra ny adidy amin'ny fileferana sy ny fankatoavana ny lalàm-panjakana amin'ny maha-avy amin'Andriamanitra izany. Haseho amin'ny endrika diso any amin'ny antenimieran-dalàna sy eny amin'ny fitsarana ireo mpitandrina ny didin'Andriamanitra ka hohelohina. Haolana ny hevitry ny teniny, ary lazaina fa izao fihetseham-po tsy mahomby rehetra izao no antony nanentana azy.

    Satria mitsipaka ny fonjan-kevitra mazava ao amin'ny Soratra Masina miaro ny lalàn'Andriamanitra ny fiangonana prôtestanta, dia haniry mafy ny hampangina ireo izay manana finoana tsy azony arodana amin'ny alalan'ny Baiboly izy. Na dia minia manakimpy ny masony tsy hijery aza izy, amin'izay fotoana izay kosa dia hanao fihetsika hahatonga fanenjehana ireo izay mandà ny hanaraka ny fomba amam-panaon'ny Kristianina ankapobeny, eo amin'ny fanajany ny Sabata papaly.

    Ny vola, ny tambitamby sy ny fandresen-dahatra ary ny hery dia samy hampiasain'ireo olo-manan-kaja ao amin'ny fiangonana avokoa mba hitaomana ny vahoaka hanaja ny Alahady. Hosoloana didy fanjakazakana ny tsy fisian'ny fahefan'Andriamanitra mampitandrina ny Alahady. Manapotika ny fitiavana ny rariny sy ny fiheverana ny fahamarinana ny fahalovana ara-politika; ary na dia any Amerika tanim-pahafahana aza, ireo mpifehy sy mpanao lalàna, dia hilefitra amin'ny fitakian'ny besinimaro ka hanao lalàna hanamafy ny fitandremana ny Alahady, mba hitiavan'ny olona azy. —HM, t. 617. 

    Please publish modules in offcanvas position.