"Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy" — Jao. 17:21.
Mofon'aina:
Rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina, dia feno ny fitiavana Azy indrindra sy fitiavana an' ireo izay nahafatesany ny mpianatra, hany ka nanohina ny fo ny teny nataony sy ny vavaka nasandrany. Niteny tamin'ny herin'ny Fanahy Masina izy; ka noho ny asa mangina avy amin'izany hery izany, dia an'arivony no voaova fo.
Hisy asany lalina sy hentitra amin'izao tontolo izao ny maha-solontenan'i Kristy ny apostoly. Tsy hampihena ny hery miasa mangina avy aminy, fa hampitombo izany kosa ny maha-olon-tsotra azy ireo; ny sain'ny mpihaino azy mantsy dia ho voatarika hiala aminy ka ho eo amin'ny Mpamonjy, izay, na dia tsy hita aza, dia mbola miara-miasa aminy ihany. Ny fampianarana mahagaga nataon'ny apostoly, ny teniny feno herim-po sy toky, dia nahatonga ny rehetra hahazo antoka fa tsy tamin'ny herin'ny tenany no niasany, fa tamin'ny herin'i Kristy. Nanetry tena izy ka nanambara fa ny Andrianan'ny fiainana, ny Zanak'Andriamanitra velona Ilay nohomboan'ny jiosy tamin'ny hazo fijaliana, ary tamin'ny anarany no nanaovany ny asa mahagaga efa nataony.
Tamin'ny resaka nataon'ny Mpamonjy tamin'ny mpianany raha hisaraka taminy Izy, ny alina nialoha ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana dia tsy nilaza ny amin'ny fijaliana efa niaretany sy tsy maintsy mbola hiaretany Izy. Tsy niteny ny amin'ny fanetren-tena nanoloana Azy Izy, fa nitady kosa ny hitondra ao an-tsain'ny mpianany izay hampahery ny finoany, ka hitarika azy hibanjina sahady ny fifaliana izay miandry ny mpandresy. (...)
"Izany teny izany, hoy Izy, efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao". Tsy very toky Kristy na kivy; finoana maharitra toy izany koa no tokony hasehon'ny mpianatra. (...) Na dia nanembantsembana ny lalany aza ny sakana miharihary, amin'ny alalan'ny fahasoavany kosa dia hiroso izy, tsy ho kivin-javatra na inona na inona ary hanantena ny zavatra rehetra. — VM, ed 1988, tt. 21,22