"Fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy" — Asa. 1:5.
Mofon'aina:
Feno sy tanteraka ny sorona nataon' i Kristy ho an'ny olona. Efa notanterahina ny fepetra momba ny fanavotana. Vita ny asa nahatongavany teto amin'ity izao tontolo izao ity. Azony ny fanjakana. Efa nongotany avy tamin'i Satana izany ka nanjary mpandova ny zavatra rehetra Izy. (...)
Taloha indridra ny nandaozany ny mpianany dia nofaritan'i Kristy mazava tsara indray mandeha ny amin'ny toetran'ny fanjakany. Nampahatsiahiviny azy ny zavatra izay efa nambarany taminy mialoha mikasika izany. Nolazainy fa tsy fikasany ny hanangana ny fanjakana ara-nofo eto amin'ity izao tontolo izao ity. (...) Rehefa nanontany azy ny mpianatra hoe: "Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?" dia namaly Izy hoe: "Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren 'ny Ray amin'ny fahefany ihany". (...) Hitory ny hafatry ny filazantsara no asan'izy ireo.
Efa hesorina tsy ho eo amin'ny mpianatra izao ny fanatrehan'i Kristy hita maso. (...) Homena azy amin'ny fahafenoany ny Fanahy Masina, ka hanokana azy ho amin'ny asany.
"Ary, indro, hoy ny Mpamonjy, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo". "Fa Jaona nanao batisa tamin 'ny rano; fa hianreo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy". "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan 'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany".
Fantatry ny Mpamonjy fa tsy misy fonjan-kevitra, na tsara rafitra aza hanalefaka ny fo mafy, na hanapotika ny fonosan'ny fiainana feno rehak'izao tontolo izao sy fitiavan-tena izay efa raiki-tampi saka ao amin'ny olombelona. Fantany fa tsy maintsy handray fanosorana avy any an-danitra ny mpianany (...) Mpitarika mailo sy tsy resy tosika no mibaiko ny herin'ny maizina, ka amin'ny alalan'ny fanampiana nomen'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahiny ihany no ahazoan'ny mpanaraka an'i Kristy miady. — VM, ed 1988, tt. 29,30.