"Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an 'i Jehôvah isika; mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara-orana izay mahavonto ny tany." — Hôs. 6:3.
Mofon'aina:
Ankehitriny dia mbola mampiasa ny fiangonany Andriamanitra hampahafantatra ny fikasany eto an-tany. Ankehitriny dia mandeha mitety ny tanàna sy ny vohitra ny mpitondra ny hafatry ny hazo fijaliana, ka manomana ny lalana ho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany. (...) Manetsiketsika ny fon'ny olona ny Fanahin'ny Tsitoha, ary izay manohana ny heriny miasa mangina dia manjary vavolombelona ho an'Andriamanitra sy ny fahamarinany. (...) Ary raha mbola mitohy mamela ny fahazavany hamirapiratra izy, tahaka ny nataon'ireo natao batisa tamin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Pentekosta, dia handray ny herin'ny Fanahy mitombo ary mitombo hatrany. Amin'ny fomba toy izany no mahatonga ny tany hohazavain'ny voninahitr'Andriamanitra. (...)
Marina fa amin'ny andro farany, rehefa mifarana ny asan'Andriamanitra eto an-tany dia hisy fanehoana manokana ny fankasitrahan'Andriamanitra hanaraka ny ezaka mafana ataon'ireo mpino nanolo-tena eo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina. Ny endriky ny ranonorana aloha sy aoriana, izay milatsaka any atsinanana amin'ny fotoana famafazana sy ny fijinjana, no nentin'ny mpaminany hebreo nanambara mialoha ny firotsahan'ny fahasoavana ara-panahy amin'ny fatra mahagaga eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra. Ny firotsahan'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Apôstôly no fiantombohan'ny ranonorana aloha, na voalohany ary be voninahitra ny vokatr'izany. Hatramin'ny andro farany dia hitoetra eo amin'ny fiangonana marina ny fanatrehan'ny Fanahy. Nefa rehefa akaiky ny fiafaran'ny fijinjana ny tany, dia hisy fanomezana manokana ny fahasoavana ara-panahy nampanantenaina, izay hanomana ny fiangonana ho amin'ny fiavian'ny Zanak'olona. Ampitoviana amin'ny filatsaky ny ranonorana aoriana io firotsahan'ny Fanahy io; ary io fanampin-kery io no tokony handefasan'ny kristianina fangatahana amin'ny Tompon'ny vokatra "amin'ny andro fara-orana". Ho valin'izany dia "handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo aloha (Jehovah), eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha".
Nefa raha tsy manana fifandraisana velona, amin'ny loharanon'ny fitomboana ara-panahy rehetra ny mambra ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra ankehitriny, dia tsy ho vonona izy amin'ny andro fijinjana. Raha tsy tazoniny hadio sy mirehitra ny jirony dia tsy ho afaka handray fahasoavana fanampiny izy amin'ny fotoana ilany fanampiana manokana. Ireo izay mandray fanampim-pahasoavana vaovao hatrany ihany no hanan-kery mifamatra amin'izay ilainy isan'andro sy ny fahaizana hampiasa io hery io. — VM, ed 1988, tt. 49,50