Olom-panjakana babo ho an’ny fahamarinana

    "Ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa." — Mat. 10:18. 

    Raha mirongatramihalozabe hatrany ny fanoherana azy, dia mitebiteby indray ny mpanompon' Andriamanitra; satria noheveriny fa izy ireo ihany no nahatonga io ady sarotra io. Nefa manome toky azy ny feon'ny fieritreretany sy ny tenin'Andriamanitra fa marina ny lalan-kizorany; ary na dia mitohy aza ny fitsapana, dia mahazo hery hahazaka izany izy. Na dia mitohy sy mihahenjana hatrany aza ny tolona, dia vao mainka mitombo araka ny fahasarotan'ny toe-javatra ny finoany sy ny herim-pony. (...)

    Ny fanenjehana amin'ny endriny samihafa dia fivelaran'ny foto-kevitra anankiray izay tsy ho foana mihitsy raha mbola misy koa i Satana ary raha mbola manan-kery koa ny fivavahana kristianina. Tsy misy olona hanompo an'Andriamanitra ka tsy hihantsy ireo tafiky ny haizina hirotsaka hanohitra azy. (...

    Nefa raha mbola manalalana ho an'ny olombelona ao amin'ny fitoerana masina any ambony koa i Jesosy, dia mbola hanan-kery amin'ny mpifehy sy ny vahoaka ny herin'ny Fanahy masina Izay miasa hamepetra ny fihetsika. Mbola mifehy ireo lalàna eo amin'ny tany amin'ny lafiny sasany Izy. Raha tsy misy ireo lalàna ireo dia ho ratsy lavitra noho izao ny toetran'izao tontolo izao. Na dia maro amin'ireo mpanapaka antsika aza no mpiasa mazoton'i Satana, Andriamanitra koa dia mbola manana ny mpanompony eo anivon'ny olona mpitarika firenena. Mibitsika amin'ireo mpanompony ny fahavalo mba hanao lalàna izay hiteraka fisakanana makadiry amin'ny asan'Andriamanitra; nefa misy mpitondra fanjakana matahotra an'i Jehovah hiasan'ny anjely mangina mba hanohitra ireo soso-kevitra ireo amin'ny alalan'ny fonjan-kevitra tsy azo ialana. Hisy olom-bitsy izay hisakana ny riana maherin'ny ratsy. Hanam-petra ny fanoherana ataon'ireo fahavalon'ny fahamarinana mba hahazoan'ny hafatry ny anjely fahatelo manao ny asany. Rehefa alefa ny hafatra fampitandremana farany, dia hitana ny sain'ireo olona ambony izay iasan'i Jehovah ankehitriny izany, ka hisy amin'izy ireo hanaiky ary hiara-mijoro amin'ny vahoakan'Andriamanitra mandritra ny androm-pahoriana. — HM, tt. 635,636. 

    Please publish modules in offcanvas position.