Fantaro ny anton’ ny finoana

    "Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin 'ny vavan 'ilay dragona sy tamin'ny vavan 'ilay mpaminany sandoka. Fa fanahin'ny demonia ireo." - Apôk. 16:13, 14. 

    Mofon'aina:

    Naseho ahy fa tsy maintsy manana fahatakarana lalina momba ny fahamarinana ankehitriny izay tokony hazoniny avy amin'ny Soratra Masina ny olona masina. Tsy maintsy takatr'izy ireo ny toetry ny maty; satria hiseho aminy indray ny fanahy ratsy, hiseho ho toy ny havana na sakaiza tiana, ka hilaza aminy foto-pampianarana tsy ara-baiboly.(...) Ny vahoakan' Andriamanitra dia tokony ho vonona hanohitra ireo fanahy ireo amin'ny alalan'ny fahamarinana ara-baiboly izay milaza fa tsy mahalala na inona na inona ny maty (...).

    Aoka hodinihintsika tsara ny fototry ny fanantenantsika satria tsy maintsy hilaza ny anton'izany avy ao amin'ny Soratra Masina isika.(...) Raha manao izay vitantsika isika mba ho vonona hiatrika ny ady eo anoloantsika dia hanao ny anjarany Andriamanitra ary hiaro antsika ny sandriny Tsitoha. Tsy hitaredretra Izy fa haniraka ny anjeliny hanisy fefy manodidina ireo fanahy mahatoky mba tsy ho voafitaka izy ireo ka ho voataonan'ny zava-mahatalanj ona feno lainga ataon'i Satana. 

    (...) Nisy fiaran-dalamby nandeha tamin'ny hafainganam-pandehan'ny tselatra naseho ahy. Nasain'ilay anjely nijery tsara aho.(...) Toy ny hoe tao anatiny avokoa izao tontolo izao. Avy eo dia nasehony ahy ny mpamily, olona avo tsanganana sy mendri-kaja izay nanehoan'ny mpandeha rehetra fanaj ana fatratra. Very hevitra aho ary nanontany ilay anjely niaraka tamiko hoe iza io olona io. Hoy izy: "I Satana io. Izy no mpamily, izay miseho amin'ny endriky ny anjelin'ny mazava. Nobaboiny izao tontolo izao. Voatolotra ho amin'ny fitaka mahery vaika izy ireo mba hino lainga izay hanamelohana azy. Ny mpanompony, izay ambony indrindra manarakaraka azy no injeniera, ary ireo mpanompony sasany dia miasa amin'ny toerana samihafa araka izay ilainy; mandeha amin'ny hafainganam-pandehan'ny tselatra mankamin'ny fahaverezana izy rehetra." 

    Nanontany ilay anjely aho raha toa misy hafa tavela. Nasainy nitodika teny ampita aho, ary nahita vondron'olona nandeha tamin'ny lalana tery. Tafaray tamin'ny fatorana mafin'ny fahamarinana no fijery azy rehetra.- EW, U. 262, 263. 

    Please publish modules in offcanvas position.