Ilay manan-kery hamonjy

    "Jehôvah Andriamanitrao no ao aminao, mahery lzy ka hamonjy; hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; ho sondriana amin'ny fitiavany lzy; hifaly anao amin'ny fihobiana — Zefania 3:17.

    Mofon'aina:

    Mety hifikitra amin'ny fahamarinanao ianao ankehitriny, ary mety hihevitra fa efa niezaka ny hanao ny tsara mba hahazo ny famonjena. Tsy hitanao fa i Kristy no manao izany rehetra izany. 

    Tsy hainao ny hanana eritreritra iray raha tsy eo Kristy. Tsy ho hainao ny hanana faniriana hanatona Azy raha tsy Izy no mampiasa ny hery ahataona sy mametraka ny Fanahiny ao amin'ny sain'ny olona. Ary raha misy olona iray eto amin'ity tany ity manana faniriana hanatona an'Andriamanitra dia noho ny amin'ireo hery miasa mangina izay hiasa tamin'ny fony sy ny sainy izany. Izany hery izany no miantso azy hiandany amin'Andriamanitra sy hankasitraka ny asa lehibe efa nataon'Andriamanitra ho azy.

    Araka izany, aoka isika tsy hilaza na oviana na oviana fa azontsika atao ny mibebaka amin'ny herin'ny tenantsika ka hamela heloka i Kristy. Tsy izany velively. Ny fahasoavan'Andriamanitra no mamela heloka. Ny fahasoavan'Andriamanitra no mitarika antsika ho amin'ny fibebahana, amin'ny alalan'ny heriny. Araka izany, noho ny amin'i Jesôsy Kristy izany rehetra izany, avy Aminy ny zavatra rehetra, ka ho fanirianao ny hamerina ny voninahitra ho an'Andriamanitra. Nahoana àry ianao no tsy manome voninahitra an'Andriamanitra bebe kokoa mandritra ny fivoriana atao? Nahoana ianao no tsy manana ilay hery miasa mangina mahavelona avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra rehefa aseho anao ny fitiavan'i Jesôsy sy ny famonjeny? Satria tsy hitanao fa i Kristy no voalohany sy farany ary tsara indrindra, Izy no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoantsika. Tsy tsapanao izany. Izany no mahatonga anao hitoetra ao amin'ny fahotanao. Inona no anton'izany'? Satria eo i Satana mitolona mafy mba hahazoany ny fanahin'ny olona. Ataony eo amin'ny lalantsika ny haizin'ny helo ka manjary tsy mahita afa-tsy ny fahavalo sy ny heriny isika. 

    Esory tsy ho eo amin'i Satana ny fijery ka Ilay mahery izay mahavonjy indrindra no banjino. (...) - FA, tt. 74,75

    Please publish modules in offcanvas position.