Mpitsabo avy any an-danitra

    "Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehôvah "- Jer 30:17.

    Mofon'aina:

    Manana ny fahefana rehetra ety an-tany sy any an-danitra i Kristy. Izy no Mpitsabo lehibe, izay tokony hantsointsika rehefa tojo aretina ara-batana na ara-panahy isika. Nasehony teo amin'ny rivotra sy ny onja ary ireo lehilahy azon'ny demonia fa mifehy ny toe-javatra amin'ny fomba tanteraka lzy. Efa nomena Azy ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny helo. Efa nampanekena Azy ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, na dia fony Izy nalam-baraka aza. (...) 

    Nahoana no tsy ampitombointsika ny finoantsika Ilay Mpitsabo avy any an-danitra? Tahaka izay nataony ho an'izay lehilahy voan'ny paralysisa no iasany koa ankehitriny ho an'izay manatona Azy mba hositranina. Ilaintsika ny hanana finoana lehibe kokoa. Matahotra aho rehefa mahita ny tsy fahampian'ny finoana eo amin'ny vahoakantsika. Ilaintsika ny mankeo amin'ny fanatrehan'i Kristy amin'ny finoana fa hanasitrana ny kilemantsika ara-nofo sy ara-panahy lzy. Kely loatra ny finoantsika. Raha mba azoko natao mantsy ny hitarika ny vahoakantsika hanana finoana an'Andriamanitra! 

    Tsy ilain'izy ireo ny mahatsapa fa tsy maintsy tonga amin'ny fetra ambonin'ny fientanentanana izy vao afaka mampiasa ny finoany. Ny hany ilainy atao dia ny mino ny tenin'Andriamanitra, tahaka ny inoan'izy ireo ny tenin'ny namany. Efa niteny Andriamanitra ka hanatanteraka ny Teniny. Miantehera amim-pahatoniana amin'ireo teny fikasany satria hataony avokoa izay voalazany. Efa niteny tamiko Izy tao amin'ny Teniny, ary hotanterahiny ny fampanantenana rehetra nataony. Aza mitebiteby, fa aoka hatoky. Marina ny tenin'Andriamanitra. Asehoy fa azo itokiana ilay Rainao izay any an-danitra. (...) 

    Tsy misy olona velona ho an'ny tenany. Mahazo ny andraikiny ny tsirairay eo amin'ny asan'Andriamanitra. Manamafy ny asa ataon'ny tsirairay ny firaisana. Arakaraka ny itomboan'ny tanjaky ny finoana sy ny fitiavana ary ny firaisan'ny fiangonana no itaran'ny hery miasa mangina avy amin'izy ireo, ary tokony hotratrarin'izy ireo hatrany ny fetra lavitra indrindran'izany hoe, mahataona izany, amin'izany no anitarany ny fandresen'ny hazo fijafiana.- SIM, b. 1, tt. 83, 84. 

    Please publish modules in offcanvas position.