Ivon’ ny fahatsarana rehetra

    "Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao." - Sal. 119:68.

    Mofon'aina:

    Ao amin'ny maha-olombelona an'i Kristy dia misy kofehy volamena izay mamatotra ny olo-mahantra mino sy matoky Azy amin'ny fitiavany tsy manam-petra. Izy no ilay Mpitsabo lehibe. "Naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika" teto amin'ity tontolo ity Izy. Izy Ilay manan-kery mahasitrana ny aretina rehetra. Nahantra Izy teto, kanefa Izy no ivon'ny fahatsarana rehetra sy ny fitahiana rehetra. Ao Aminy no misy ny hery ilaina ho an'izay rehetra manao vy very ny ainy hahatongavana ho zanak'Andriarnanitra. 

    Efa naman'ny olo-mahantra hatrizay i Kristy. Nifidy ny fahantrana Izy, ary nanome voninahitra izany tamin'ny nanaovany izany ho anjarany. Nesoriny mandrakizay tsy ho amin'ny mahantra ny faniratsirana sy ny fanaovana tsinontsinona tamin'ny nitahiany azy ireo, izay nataony ho mpandova ny fanjakan'Andriamataitra. Toy izany ny asany. Tamin'ny nanolorany tena ho amin'ny fiainam-pahantrana no nanafahany ny mahantra tamin'ny fietrena. Niandany tamin'ny mahantra lzy mba tsy hisy fanalam-baraka azy ireny intsony ataon'izao tontolo izao. Fantany ny maha-zava-doza ny fitiavan-karena. 

    Fantany fa manimba fanahy maro izany, Mahatonga ny mpanankarena hanarampo amin'ny fitadiavam-boninahitra izany. Mampianatra azy ireo hanambany ireo mijaly ao anatin'ny fahantrana izany. Mampitombo ny fahalemen'ny sain'ny olombelona ny fitiavan-karena, ary maneho fa na dia manana harem-bevava aza ny olona dia tsy mba manankarena eo imason'Andriamanitra izy. 

    Namolavola ny toetran'ny maro ny fanomezana tombam-bidy diso ny olona manankarena eto an-tany. Ireo olona manana trano maro sy tany be, izay deraina sy voafitaka noho ny haja lehibe atolotry ny maro azy ireo, dia mety hanao tsinontsinona ny mahantra, izay manana fahendrena tsy ananan'ny mpanankarena akory. Rehefa lanjaina amin'ny mizana volamenan'ny fitoerana marina ireo olona manankarena izay tia tena sy fatra-pitia vola, dia ho hita fa latsa-danja; fa ny mahantra kosa, izay niantehitra tamim-pinoana tamin'Andriamanitra irery ihany noho ny fahendreny sy ny fahatsarany, no hambara ho mpandova ny harena mandrakizay ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. - Ms, 22, 1898

    Please publish modules in offcanvas position.