Ilay hany Mpanalalana

    "Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy Kristy, Ilay Marina."—1Jao. 2:1. 

    Mofon'aina:

    Izay rehetra miezaka hanala tsiny na hanafina ny fahotany, ka hamela ireo ho voatana ao amin'ny bokin'ny lanitra, tsy nekena ary tsy voavela, dia ho resin'i Satana. Arakaraka ny maha-ambony ny asany sy ny maha-be voninahitra kokoa ny toerana tazoniny no mainka maha-ratsy ny fihetsiny eo imason'Andriamanitra sy maha-azo antoka ny fandresen' ilay fahavalony lehibe. (...) 

    Tsy asaina miaiky heloka amin'ireo izay tsy mahafantatra ny ota sy ny fahadisoana nataontsika akory isika. Tsy adidinao ny miaiky ampahibemaso ny helokao, izay mety hitarika fandresena ho an'ny tsy mpino, fa hiaiky izany kosa amin'ireo izay tokony hanaovana izany, ireo izay tsy hanararaotra ny fahadisoanao, ekeo ny helokao araka izay voambaran'ny Tenin'Andriamanitra ary avelao izy ireo hivavaka ho anao, dia hankasitrahan'Andriamanita ny asanao ary hanasitrana anao Izy. (...) Ilaozy ny avonavonao, ny rendrarendranao, ary ataovy amim-pahitsiana ny asanao. Miverena ho ao am-bala indray. Miandry anao Ilay Mpiandry. Mibebaha ary ataovy ny asa nataonao tany am-boalohany, dia aoka ianao hahita fitia amin'Andriamanitra indray. 

    Mpanavotra anao i Kristy, tsy hanararaotra velively ny fiaikenao heloka mahamenatra Izy. Raha nanota tamin'ny mangingina ianao dia ifony amin'i Kristy izany, Izay hany Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona. "Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy  Kristy, Ilay Marina" - 1 Jao. 2:1 (...). 

    Tokony hiasa amin'ny fahalalana tsara ny olon'Andriamanitra. Tsy tokony ho afa-po izy ireo raha tsy efa nifonana tamin'Andriamanitra avokoa ireo fahotana fantatra rehetra; avy eo dia tombontsoa sy adidin'izy ireo ny mino fa raisin'Andriamanitra izy ireo. Tsy tokony hiandry ny hafa ho tafavoaka ny haizina izy ireo ka hahazo fandresena iaraha-mifaly. Ny fifaliana toy izany dia maharitra hatramin'ny faran'ny fivoriana fotsiny ihany. Fa ny fanompoana an'Andriamanitra kosa dia tsy maintsy atao amin'ny fahalalana fa tsy amin'ny fihetseham-po. (...) Aza avela hanakana anao amin'izany ny asanao andavanandro. Manokana fotoana hivavahana, ary rehefa mivavaka ianao dia minoa fa mihaino anao Andriamanitra. — TF, tt. 383, 384. 

    Please publish modules in offcanvas position.