Mpandresy

    "Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy." — Jao. 2:19. 

    Mofon'aina:

    Kristy no fototry ny tempoly sy  ainy. Tandindon'ny fanatitry ny Zanak'Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana tao. Naorina ny antokon'ny mpisorona mba haneho ny toetra sy ny asan'i Kristy amin'ny maha-mpanelanelana Azy. Ny drafitra manontolo momba ny fanompoam-pivavahana fanatitra dia fanehoana mialoha ny fahafatesan'ny Mpamonjy hanavotana an' izao tontolo izao. Tsy misy asany ireny fanatitra ireny rehefa ho tanteraka ilay toe-javatra lehibe efa notondroiny nandritra ny taona nifandimby. 

    Koa satria tandindon'i Kristy avokoa ny fanompoam-pivavahana manontolo, dia tsy misy tombam-bidiny izany rehefa tsy eo Aminy. Rehefa nanamafy ny fandavany an'i Kristy toy ny nasiana tombokase ny Jiosy ka nanolotra Azy ho faty, dia nolaviny koa izay rehetra dikan'ny tempoly sy ny fanompoam-pivavahana nifanaraka tamin'izany. Tahaka ny fanatitr'i Kaina, dia tsy nanambara finoana ny Mpamonjy izany. Raha namono an'i Kristy ny Jiosy, dia azo lazaina fa nandrava ny tempoliny izy. Rehefa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana i Kristy, dia triatra roa ny lamba tao anatin'ny tempoly hatrany ambony ka hatrany ambany; nanambara izany fa vita ilay fanatitra lehibe farany, ary tapitra mandrakizay ny drafitra momba ny fanatitra. 

    "(...) Amin 'ny hateloana dia hatsangako indray izy." Teo amin'ny fahafatesan'ny Mpamonjy dia toa nandresy ny herin'ny maizina ka nihoby ny fandreseny. Nefa nivoaka toy ny mpandresy avy teo amin'ny fasana nampindramin'i Josefa i Jesôsy. "Ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary (...) nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon 'izay avy nandresy." Noho ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty, dia nanjary mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy "(...) ny tena tabernakely izay naorin 'ny Tompo fa tsy olona" Izy. Olona no nanorina ny tabemakelin'ny Jiosy; olona no nanorina ny tempolin'ny Jiosy; fa ilay fitoerana masina any an-danitra kosa, izay tandindon'izany ny eto an-tany, dia tsy mpanao mari-trano olombelona no nanao izany. "Indro Lehilahy atao hoe Rantsana (..) lzy no hanao ny tempolin´i Jehovah, ary lzy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianarry."— 1FM, tt. 159, 160

    Please publish modules in offcanvas position.