"Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao." — Lio. 2:29,30.
Mofon'aina:
Amin'ny ara-panahy no amantarana ny zavatra ara-panahy. Tao amin'ny tempoly no nanolorana ny Zanak'Andriamanitra hanao ny asa nahatongavany. Tahaka ny fijeriny ny zaza hafa rehetra no nijeren'ny mpisorona Azy. Nefa na dia tsy nisy hafa noho ny mahazatra hitany sy tsapany aza, dia fantatra ihany ny fihetsika nataon'Andriamanitra tamin'ny nanomezany ny Zanany ho an'izao tontolo izao. Tsy lasa foana anefa izany fotoana izany fa nisy nahafantatra an'i Kristy. "Ary, indro nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely, ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. Ary efa nambaran'ny Fanahy Marina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristy Tompo.
" Raha niditra tao an-tempoly i Simeôna dia nahita fianakaviana iray nitondra ny zanany lahimatoa teo anatrehan'ny mpisorona izy. Mitory fahantrana ny fijery azy; azon'i Simeôna ny filazana avy amin'ny Fanahy, ka tsapany lalina ao am-pony fa io zazakely nentina teo amin'i Jehôvah io no Fampionona ny Isiraely, Ilay niriny mafy ho hita. Gaga ny mpisorona nahita an'i Simeôna toa ravoravo. Naverina teny amin'i Maria ny zazakely, koa dia noraisiny sy notrotroiny ka nasehony tamin'Andriamanitra (...). Raha nanandratra Ilay Mpamonjy zaza nanatrika ny lanitra izy, dia niteny hoe: "Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana, araka ny feninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao."
Nanindry io lehilahin 'Andriamanitra io ny fanahin'ny faminaniana, ary raha nijoro teo anilany i Josefa sy i Maria, izay gaga noho ny teny nataony, dia nitahy azy ireo izy ka izao no nolazainy tamin'i Maria: "Indro, ity zaza ity no voatendry ho fandavoana sy fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina - ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro. IFM, tt. 42, 43.