Mpamorona

    "Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho." — Mat. 13:35. 

    Mofon'aina:

    Hoy ny Soratra Masina: "Fanoharana no nilazan'i Jesôsy izany zavatra izany tamin'ny vahoaka; (...) Mba hahatanteraka izay nampilazainy ny mpaminany hoe:  hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; hanambara izay zavatra nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho". (...) Ny zavatra eo amin'ny zava-boary sy ny fanandramana teo amin'ny fiainan'ny mpihaino Azy dia nampifandraisiny tamin'ireo fahamarinana ao amin'ny teny voasoratra. 

    Amin'izany, mitarika antsika avy amin'ny zava-boary ho amin'ny fanjakana ara-panahy ireo fanoharana nataon'i Kristy ary masom-by eo amin'ny rojom-pahamarinana mampiray ny olona amin'Andriamanitra, sy ny tany amin'ny lanitra. 

    (...) I Kristy dia niteny momba ny zavatra nataon'ny tenany izay nanana toetra sy hery efa nozarain'ny tenany ihany. Tamin'ny fahatanterahany tany am-boalohany, ny zavatra nohariany rehetra dia fanehoana ny fisainan'Andriamanitra. Ho an'i Adama sy Eva tao amin'ny tokantranony tany Edena dia feno ny fahalalana an'Andriamanitra ny zava-boary sady hipoky ny fampianarana avy amin'Andriamanitra. (...) Raha vantany vao nandika ny lalàn'ny Avo Indrindra ireo mpivady masina, dia niala tamin'ny endriky ny zava-boary ny famirapiratana izay avy teo amin'ny tavan'Andriamanitra. 

    Izao ny tany dia simba sy voaloton'ny fahotana. Nefa betsaka amin'ny hatsaran-tarehy no tafajanona na dia eo amin'ny toetrany voan'ny aretina aza. Ny lesona azo tsapain-tanana nataon'Andriamanitra dia tsy simba (...). 

    Tamin'ny andron'i Kristy dia very an-javona ireo lesona ireo. Fa zary tsy hitan'ny olona intsony teo amin'ny asany Andriamanitra. Ny toetram-pahotan'ny olombelona dia nandrakotra lambam-paty teo amin'ny endrika kanton'ny famoronana ary tsy nampiseho an'Andriamanitra ny sasany fa nanjary fefy nanakona Azy. Fa ny olona dia "nanaja sy nanompo ny zavatra natao, fa tsy ny Mpanao". Noho izany ireo Jentilisa dia tonga zava-poana tamin'ny fisainany ary "tonga maizina ny fony donto". Toy izany tao amin'ny Isiraely, ny fampianaran'olombelona no nasolo toerana ny an'Andriamanitra. Tsy izay teo amin'ny zava-boary ihany, fa ny fanompoana momba ny fanatitra koa sy ny Soratra Masina mihitsy aza — fa izay rehetra homena haneho an'Andriamanitra dia simba indrindra ka nanjary fiasana nanafina Azy.— HF, tt. 9-11. 

    Please publish modules in offcanvas position.