Mpanalalana avy any an-danitra

    "Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany." —Eks. 34:33. 

    Mofon'aina:

    Nijanona efapolo andro sy efapolo alina tao an-tendrombohitra tahaka ny tamin'ny voalobany ihany i Mosesy, ary naharitra elabe tsy nihinan-kanina na nisotro rano tamin'ny fomba mahagaga. Tsy nisy olona navela hiaraka taminy na dia iray aza, ary tsy nisy navela hikasika ny tendrombohitra koa na dia iray aza tamin'ny fotoana tsy naha-teo azy. Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo indray i Mosesy, ary nentiny teny an-tanany izany, araka izay nandidian'i Jehôvah. "Ary nosoratan'i Jehôvah [fanindroany] tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo." Nifindran'ny voninahitry ny fanatrehan'Andriamanitra ny tavan'i Mosesy, nandritra ny fotoana lava niarahany tamin'Andriamanitra. (...) 

    "Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak' lsiraely rehetra i Mosesy, ka indro namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy." Rehefa hitan'i Mosesy fa nisavoritaka be ihany sy natahotra ny olona, nefa tsy fantany ny antony, dia nantsoiny moramora hiverina teo Aminy izy (...). 

    Eo andaniny dia mampianatra antsika ny toetra mendrika sy masina ananan'ny lalàn'Andriamanitra izany famirapiratana izany, ary eo an-kilany kosa ny voninahitry ny Filazantsara voaseho ao amin'i Jesôsy Kristy. Tsy ny vato fisaky ny lalàna ihany no nomena an'i Mosesy, tamin'ny fotoana nijanonany tao an-tendrombohitra, fa naseho azy koa ny planin'ny famonjena. Fantany fa ny fombam-pivavahana sy tandindona rehetra teo amin'ny fisoronana jiosy dia nanambara ny sorona hataon'ny Mpamonjy. (...) 

    Natao ho tandindon'i Jesôsy Kristy i Mosesy. Tahaka ny nanaronan'ny mpanalalana ny lsiraely ny tavany tamin'ny olona izay tsy nahatanty ny famirapiratana no nanafenan'Ilay Mpamonjy antsika ny maha-Andriamanitra Azy tao amin'ny maha-olombelona antsika, raha nidina tety an-tany Izy. Tsy azony natao ny niara-nonina tamin'ny olona, raha tonga teto amintsika voahodidin'ny famirapiratan'ny tavany  lzy: tsy hahatanty ny famirapiratan'ny tavany izy ireo. Ary izany no nakany "ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota," izay hany fomba hahatrarany ny taranaka lavo misy antsika sy hanarina azy.— PM, tt. 316, 317. 

    Please publish modules in offcanvas position.