Tompo sy Mpampianatra

    "Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesôsy namaly azy hoe: raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko."— Jao. 13:8.

    Mofon'aina:

    Mihoatra noho ny fahadiovana ara-nofo ny dikan'ireo teny ireo. Miteny ihany i Kristy ny amin'ny fanadiovana ambony kokoa araka izay asehon'ny fanasana tongotra. Madio izay avy nandro, nefa vetivety dia tratry ny vovoka ny tongotra anaty kapa ka mila hosasana indray. Toy izany koa i Petera sy ny rahalahiny, efa nosasana tao amin'ilay loharano lehibe novohana ho an'ny fahotana sy ny tsy fahadiovana. Neken'i Kristy ho Azy ireo. Nitarika azy ho amin'ny ratsy anefa ny fakam-panahy, ka mbola mila ny fahasoavany manadio izy ireo. Rehefa nisikina tamin'ny lamba famaohana i Jesôsy mba hanasa ny vovoka amin'ny tongony, dia niriny ny hanasa ny fihafahafana sy ny fialonana ary ny avonavona tsy ho ao am-pony amin'ny alalan'io fihetsika io indrindra. (...) Raha tsy tonga eo amin'ny toe-tsaina feno fanetren-tena sy fitiavana izy ireo, dia tsy vonona handray anjara amin'ny fanasan'ny Paska, na handray anjara amin'ny fanompoam-pivavahana fahatsiarovana izay efa haorin'i Kristy. Tsy maintsy hodiovina ny fony. Miteraka fisarahana sy fankahalana ny avonavona sy ny fitadiavana ny tombontsoan'ny tena, nefa nosasan'i Jesôsy izany rehetra izany ka afaka tamin'ny nanasany ny tongony. (...) Nisy firaisana teo amin'ny fo ankehitriny, nisy fifankatiavana. Nanjary nanetry tena sy azo nampianarina izy. (...) 

    Tahaka an'i Petera sy ireo rahalahiny koa isika, dia efa nosasana tamin'ny ran'i Kristy, nefa matetika no voapentina ny fahadiovan'ny fo amin'ny fifampikasohana amin'ny ratsy. Tsy maintsy manatona an'i Kristy isika hodiovin'ny fahasoavany. Nitakemotra i Petera mba tsy hifampikasoka amin'ny tongony maloto ny tanan'ny Mpampianatra Tompony; nefa matetika manao ahoana isika no mampikasoka ny fontsika feno fahotana, maloto amin'ny fon'i Kristy. Mankarary Azy manao ahoana ny toetrantsika mora tezitra, ny fieboeboana sy avonavontsika. Tsy maintsy hoentina eo Aminy anefa ny fahalementsika sy ny fahalotoantsika rehetra. Izy irery no afaka manasa antsika ho madio.Tsy vonona hiray Aminy isika raha tsy diovin'ny heriny. - WM, n. 696, 697

    Please publish modules in offcanvas position.