"Amin´izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesôsy Kristy indray mandeha."—Heb. 10:10.
Mofon'aina:
Niteny ny Tompo hoe: "(...) Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo (...) Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro." (...) Ny fahafatesan'i Kristy no ahazoantsika na dia ity fiainana ara-nofo ity aza. (...) Vita fitomboka amin'ny ravinkazo tsirairay ny hazo fijalian'i Kalvary. Mitaratra eo amin'ny loharano rehetra izany. Izany rehetra izany no nampianarin'i Kristy raha nanondro ny tandindon'ny sorona lehibe nataony Izy. Mahatonga ny sakafontsika amin'ny fiainana andavanandro ho masina ny fahazavana mamirapiratra avy amin'io fanompoam-pivavahana fandraisana tao amin'ny efitra ambony io. Manjary toy ny latabatry ny Tompo ny latabatry ny fianakaviana, ary hosotra masina ny sakafo tsirairay.
Marina mihoatra lavitra manao ahoana ny tenin'i Kristy momba ny ara-panahintsika. Hoy Izy: "izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay Ny fandraisana ny fiainana izay nalatsaka ho antsika teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary, no ahazoantsika mivelona amin'ny fiainan'ny fahamasinana. Ary io fiainana io dia raisintsika amin'ny fandraisana ny teniny, amin'ny anaovana ny zavatra izay nobaikoiny. Amin'izay dia manjary iray Aminy isika: "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako; hoy Izy, no mitoetra ao Amiko, ary lzaho kosa ao aminy. Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa, izay mihinana Ahy no ho velona Amiko." (...)
Raha mandray ny mofo sy ny divay tandindon'ny tenan'i Kristy torotoro sy ny rany nifantsitsitra isika, dia miray an'eritreritra amin'ny fifandraisana tao amin'ny efitra ambony. (...) Manatri-maso ny tolona izay nahazoana ny fampihavanana antsika tamin'Andriamanitra isika. (...)
Rehefa mibanjina Ilay Mpanavotra voahombo isika, dia azontsika amin'ny fomba feno kokoa ny halehibe sy ny dikan'ny sorona nataon'Ilay Andrianan'ny lanitra. Omem-boninahitra eo anoloantsika ny drafitry ny fanavotana, ka mamohafoha fihetseham-po velona sy masina ao am-pontsika ny fleritreretana an'i Kalvary. Ho ao am-pontsika sy eo am-bavantsika ny fiderana an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry (...). — IFM, tt. 711-713.