Mpitsara mpanelanelana an’Andriamanitra sy ny taranak’olombelona

    "Fa toy izao no nitiavon'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa ha-nana fiainana mandrakizay."— Jao. 3:16. 
    Mofon'aina:

    Izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika fahamarinana amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. (...) 

    Fikasan'i Satana ny hahatonga fisarahana mandrakizay eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona: nefa tafaray amin'ny fomba ety kokoa amin'Andriamanitra isika ao amin'i Kristy mihoatra noho izay nisy antsika raha tsy lavo mihitsy aza. Ny nandraisany ny nofontsika no namatoran'ny Mpamonjy ny tenany tamin'ny taranak'olombelona tamin'ny fatorana izay tsy ho tapaka na oviana na oviana. Tafakambana amintsika mandritra ny mandrakizay Izy. "Fa toy izao no nitiavan 'Andriamanitra izao tontolo Izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana (...)." Tsy nomena mba hitondra ny fahotantsika fotsiny sy ho faty ho sorona ho antsika Izy, fa nomen'Andriamanitra mandrakizay ho an'ny taranaka lavo. Mba ho azo antoka ho antsika ny fisainam-pihavanany tsy miovaova, dia nomen'Andriamanitra ny Zanani-lahy Tokana ho tonga anisan'ny fianakavian'ny olombelona, ary hotazoniny mandrakizay io maha-olombelona Azy io. Io no fanekena fa hotanterahin'Andriamanitra ny teniny. "Fa zaza no teraka no antsika; zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony (...)." Neken'Andriamanitra tao amin'ny Zanany ny maha-olombelona, ary izany ihany no nentiny any amin'ny lanitra avo indrindra. Ny "Zanak'olona" no manana anjara eo amin'ny seza fiandrian'izao tontolo izao. Ny "Zanak'olona" no antsoina hoe: "(...) Mahagaga, Mpanolo-tsaina,Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana." Ilay IZAHO no Mpitsara mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny taranak'olombelona, izay nametraka ny tanany amin'ny andaniny avy. Ray "(...) masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota (...)," dia tsy menatra ny hiantso antsika hoe rahalahy. Tafakambana ao amin'i Kristy ny fianakaviana ety an-tany sy ny fianakaviana any an-danitra. Rahalahintsika i Kristy nomem-boninahitra. Vita sokitra ao amin'ny maha-olombelona ny lanitra ary fihinin'ny Fitiavana mandrakizay eo an-tratrany ny maha-olombelona. — IFM, tt. 16,17. 

    Please publish modules in offcanvas position.