"Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina." — Apôk. 15:4.
Mofon'aina:
Nifanatrika teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary ny fitiavana sy ny fitiavan-tena. Teo no fara-tampon'ny fisehoany. Tsy mivelona afa-tsy ho fampaherezana sy ho fitahiana i Kristy ary raha namono Azy ho faty i Satana dia naneho ny haratsiany sy ny fankahalany an'Andriamanitra. Nasehony mazava fa ny tena zava-kendreny teo amin'ny fikomiany dia ny hanongana an'Andriamanitra avy eo amin'ny seza fiandrianana sy handringana Ilay nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra. (...) Hatreo amin'ny fihinanam-bilona ka hatrany amin'ny hazo fijaliana, dia antso ho amin'ny fampileferana ny tena sy ho amin'ny firaisana amin'ny fahoriana ny fiainan'i Jesôsy. Nanala sarona ny fikasan'ny olombelona izany. Nitondra ny fahamarinan'ny lanitra i Jesôsy ary izay rehetra nihaino ny feon'ny Fanahy Masina dia voatarika ho eo Aminy. Anisan'ny ao amin'ny fanjakan'i Satana izay manompo ny "izaho". Ny fihetsiky ny tsirairay amin'i Kristy dia hampiseho izay iandaniany. Koa noho izany dia samy mitsara tena ny tsirairay.
Amin'ny andro fitsarana farany dia ho azon'ny fanahy very tsirairay ny anton'ny nandavan'ny tenany ny fahamarinana. Haseho ny hazo fijaliana, ka ho tsapan'ny saina rehetra izay nohamaizinin'ny fandikan-dalàna ny tena dikan'izany. Hijoro eo ambany fanamelohana ny mpanota raha manatri-maso an'i Kalvary sy Ilay nifono zava-miafina nianjadian'ny fahoriana. Ho foana ny fialan-tsiny mandainga rehetra. Hiseho amin'ny toetrany maharikoriko ny fihemoran'ny olombelona. Ho hitan'ny olona ny safidy nataony. Hazava amin'izany ny olana rehetra nitranga momba ny fahamarinana sy ny hevi-diso nandritra izay fifanoherana naharitra ela dia ela izay. (...) Haharihary fa tsy mba nankasitraka fahotana akory ny didim-pitsaran'ny lanitra. Tsy nisy tomika ny fitondram-panjakan'Andriamanitra, tsy nisy antony nahatonga ny fisaraham-bazana. Rehefa hiharihary ny fisainan'ny fo rehetra, dia hiray feo izay mahatoky sy izay nikomy hoe: "(...) Mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary Iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? (...) fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao." — JFM, tt. 45,46.