"Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesôsy, dia henjehina." - 2 Tim 3:12.
Mofon'aina:
Tsy nampanantena ny mpianany hahazo ny voninahiira sy ny haren'ny tany Jesôsy, na koa hanana fiainana lavitry ny fitsapana. Fa antsoiny kosa izy, hanaraka Azy eo amin'ny lalan'ny fandavan-tena sy ny fahafaham-baraka. (...) Nivondrona mafy hanohitra ny Andrianan'ny fiadanana ny ratsy fanahy sy ny anjely ratsy. Nefa ny teny nataon'ny Tompo sy ny asa notontosainy dia samy naneho ny famindrampony, sy ny tsy fifandraisany amin'izao tontolo izao (...).
Toy izany koa no hihatra amn'izay rehetra te ho velona ao amin'ny fanompoana ny Tompo Jesôsy Kristy. (...) Miova endrika arakaraka ny fotoan'andro ny endriky ny faharetana; nefa kosa ny fitsipika sy ny toe-tsaina mampiavaka azy dia tsy miova toy izay hita hatramin'ny andron'i Abela, dia ny namonoana ny olom-boafidin'ny Mpamonjy.
Tamin'ny fotoan-dasa rehetra dia nanenjika ny zanak'Andriamanitra i Satana, ka nampijaly azy, ary namono azy; kanefa kosa tamin'ny fahafatesan'ireny, no vao mainka nahatonga azy ho mpandresy. Nijoro ho vavolombelon'ny herin'Ilay mahery noho i Satana izy. Azon'ny olona lozabe atao ny mampijaly sy mamono ny tena, fa tsy azony atao kosa ny mampihatra ny heriny amin'ny fiainana voafina ao amin'i Kristy any amin'Andriamanitra. Azony atao ny mandatsaka am-ponja voahodidin'ny manda matevina ny lehilahy sy ny vehivavy maro; nefa tsy azony atao ny mamatotra ny fanahiny. (...)
Izay mino ny Tompo, ka ankahalain'izao tontolo izao sy enjehiny, no miofana sy beazina ao amin'ny sekolin'i Kristy. Mandeha amin'ny lalana tery izy. Diovina ao amin'ny memy afon'ny fampijaliana izy, nefa manaraka ny Mpamonjy ao amin'ny tolona feno fahasiahana, ka miaritra fahafoizan-tena, ary mandalo amin'ny fahadisoam-panantenana mahatsiravina. Amin'izany kosa anefa no ahatsapany ny maha-ratsy sy ny maha-ozona ny fahotana, ka ankahalany azy tanteraka.
Amin'ny fiombonany amin'ny fahorian'i Kristy, no ahazoany niibanjina ny voninahiny ao ankoatra, ny alahelo maizina mihatra aminy, ka ahazoany miteny tahaka an'i Paoly hoe: "Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin 'ny voninahitra izay haseho amintsika".— VM, tt. 510, 511